Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MIAMBENA FOANA!

Toa Lasa Tsy Manao ny Tsara ny Olona? Inona no Lazain’ny Baiboly?

Toa Lasa Tsy Manao ny Tsara ny Olona? Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Mihavitsy foana ny olona manao ny tsara amin’izao. Ny marary indray, ohatra, no masiaka be dia milelalela amin’ny dokotera. Ny olona misakafo any amin’ny hotely indray manambanimbany ny mpandroso sakafo. Ny mpandeha raoplanina tsy tia tenitenenina, dia mikasi-tanana ny olona mikarakara an-dry zareo. Ny ankizy mafy loha maneso sy mandrahona ary mamono ny mpampianatra azy. Ny mpanao politika sasany koa manao zavatra mahamenatra be, moa ny hafa indray mihatsaravelatsihy dia mirehareha hoe izy no tena manao ny tsara.

 Fa ahoana marina izany hoe manao ny tsara izany? Miresaka momba an’izany ny Baiboly, ary azo ampiharina tsara ny torohevitra omeny ao. Hazavainy ao koa hoe maninona ny olona no tsy manao ny tsara intsony amin’izao.

Fa inona no nitranga?

 Manao ny tsara ny olona iray raha tsara toetra sy tsara fitondran-tena. Mihavitsy anefa ny olona hoatr’izany maneran-tany.

  •   Nisy fanadihadiana natao, ohatra, tato ho ato tany Etazonia, dia resy lahatra ny olona any hoe miharatsy ny toetran’ny olona sy ny fitondran-tenany amin’izao, raha oharina amin’ny tamin’ny 22 taona lasa.

  •   Nisy olona maherin’ny 32 000 koa nadinadinina tany amina firenena 28. Nilaza ny 65 isan-jato tamin-dry zareo hoe mbola tsy nahita olona manao ratsy hoatran’ny amin’izao mihitsy ry zareo hatramin’izay.

 Efa nilaza mialoha ny Baiboly hoe ho lasa hoatr’izany ny toetran’ny olona amin’izao.

  •   “Aoka ho fantatrao fa any aoriana any, dia hisy andro sarotra; fa ho tia tena ny olona, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, mpiteny ratsy, mpanohi-dray aman-dreny, tsy mankasitraka, ... tsy manam-pitiavana, ... [ary] lozabe.”​—2 Timoty 3:1-3, Fandikan-teny Katolika.

 Raha tianao ny hahafantatra bebe kokoa hoe ahoana no ahatanterahan’io faminaniana io, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Efa Voalazan’ny Baiboly Mialoha ve ny Toe-tsain’ny Olona Amin’izao Andro Izao sy ny Zavatra Ataony?

Torohevitra azo ampiharina raha te hanao ny tsara

 Betsaka ny olona tsy manao ny tsara intsony amin’izao. Na izany aza, dia an-tapitrisany no mahita hoe manampy azy hahavita an’izany ny torohevitry ny Baiboly. “Azo ianteherana foana” mantsy ny torohevitra ao “amin’izao ka hatrany amin’ny mandrakizay.” (Salamo 111:8) Andao isika hijery ohatra vitsivitsy.

  •   Izay lazain’ny Baiboly: “Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo ... dia mba ataovy aminy koa.”​—Matio 7:12.

     Inona no dikan’izany? Tokony ho tsara fanahy sy hanaja ny hafa isika, hoatran’ny tiantsika hataon-dry zareo amintsika ihany.

  •   Izay lazain’ny Baiboly: “Satria ... efa narianareo ny lainga, dia samia milaza ny marina amin’ny namanareo avy ianareo tsirairay.”​—Efesianina 4:25.

     Inona no dikan’izany? Tokony hilaza ny marina sy hanao ny marina foana isika.

 Raha te hahafantatra bebe kokoa momba an’izany ianao, dia vakio: