MIAMBENA FOANA!
Lasa Tsy Matoky ny Mpanao Politika ny Olona: Inona no Lazain’ny Baiboly?
Be dia be ny fifidianana atao amin’ity taona 2024 ity, maneran-tany. Betsaka anefa ny olona lasa tsy matoky ny mpanao politika intsony.
Betsaka tamin’ny Amerikanina nohadihadiana no nilaza fa “fitiavan-tena no mahatonga ny ankamaroan’ny mpanao politika hanao zavatra”, fa tsy mitady an’izay hahasoa ny vahoaka ry zareo. a—Pew Research Center, 19 Septambra 2023.
Betsaka koa ny tanora lasa tsy matoky ny mpanao politika intsony.
“Matetika ny tanora amin’izao no tia mikarokaroka hevitra mba hamahana olana lehibe. Rehefa anontaniana anefa izy ireo, dia milaza hoe tsy mba hoatr’izany ny mpanao politika.”—The New York Times, 29 Janoary 2024.
“Araka ny tatitra iray, dia ny olona mpanao video ao amin’ny YouTube no atokisan’ny tanora kokoa noho ny mpanao politika.”—The Korea Times, 22 Janoary 2024.
Afaka matoky ny mpanao politika ve isika mba hanatsara ny hoavy? Iza no tena azontsika itokisana?
Fidio tsara ny olona itokisanao
Tsara raha fidintsika hoe iza no itokisantsika. Milaza ny Baiboly fa “mino an’izay teny rehetra henony ny olona mora fetsifetsena, fa ny olona malina kosa mieritreritra tsara isaky ny hanao zavatra.”—Ohabolana 14:15.
Raha tianao ny hahalala hoe ahoana no ahafantarana raha marina na diso ny fanazavana iray, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Mitandrema Amin’ny Vaovao Tsy Marina.”
Ankoatra izay, dia voafetra ihany ny zavatra azon’ny mpanao politika atao, na dia manao ny marina sy manao ny tsara aza izy. Izany no nahatonga ny Baiboly hampitandrina hoe:
“Aza matoky ny olona ambony na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.”—Salamo 146:3.
Mpitondra iray azonao itokisana
Milaza ny Baiboly fa nanendry mpitondra tena mahay sady azo itokisana Andriamanitra. Jesosy Kristy no anarany. (Lioka 1:32, 33) I Jesosy no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia avy any an-danitra no mitondra io Fanjakana io.—Matio 6:10.
Tianao ho fantatra ve hoe nahoana ianao no afaka matoky an’i Jesosy, dia inona no hataony mba hamahana ny olana mahazo antsika amin’izao? Vakio àry ilay lahatsoratra hoe “Iza no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra?” sy ilay hoe “Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?”
a Pew Research Center, “Americans’ Dismal Views of the Nation’s Politics”, Septambra 2023.