Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Mosary Amin’izao Andro Izao?
“Foana tanteraka ny hanoanana.” Izany no tanjon’ny mpitondra eran-tany mba hamahana ny olana iray anisan’ny ngeza indrindra atrehin’ny olombelona. Inona izany? Ny hoe ahoana no anomezana sakafo ny olona rehetra eto an-tany. a Mbola hisy fotoana ve anefa hoe tsy hisy olona noana intsony eto an-tany, na iray aza? Inona no lazain’ny Baiboly?
Efa nilaza ny Baiboly hoe hisy mosary
Antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany” izao andro iainantsika izao. (2 Timoty 3:1) Efa nilaza izy io hoe hisy mosary amin’ny andro farany. Tsy Andriamanitra no mahatonga ny mosary, nefa efa nampitandrina antsika momba an’izany izy. (Jakoba 1:13) Mariho ireto faminaniana roa ao amin’ny Baiboly ireto.
“Hisy mosary . . . any amin’ny toerana samihafa.” (Matio 24:7) Izao ny tatitra nataon’ny olona mandinika ny fomba amokarana sy izarana sakafo: “Vao mainka miharatsy ny toe-draharaha eran-tany eo amin’ny resaka mosary sy tsy fahampian-tsakafo ary tsy fahampian’ny sakafo ara-pahasalamana.” b An-jatony tapitrisa ny olona tsy mahazo an’izay sakafo ilainy, any amin’ny tany maro. Mampalahelo fa be dia be no maty vokatr’izany.
“Iny nisy soavaly mainty, ary nisy mizana teny an-tanan’ilay nitaingina azy.” (Apokalypsy 6:5) Ny mosary hisy amin’ny andro farany no asehon’ilay soavaly an’ohatra sy ilay mpitaingina azy, ao amin’io faminaniana io. c Ho voafetra ny sakafo, dia ny mizana eny an-tanan’ilay mpitaingin-tsoavaly no handanjana azy mba samy hahazo kely daholo ny olona rehetra. Tamin’ilay soavaly teny am-pandehanana teny, dia nisy feo niteny hoe ho lafo be mihitsy ny sakafo. Nampitandrina ny olona koa ilay feo hoe tsy tokony holanilaniana foana ny foto-tsakafo. (Apokalypsy 6:6) Mahalaza tsara ny olana eo amin’ny resaka sakafo maneran-tany amin’izao andro izao io faminaniana io. An’arivony tapitrisa mantsy ny olona tsy mba mahita na mahavidy sakafo ara-pahasalamana amin’izao.
Mbola ho foana ny mosary
Milaza ny manam-pahaizana hoe mihoatra noho izay ilain’ny olona rehetra eto an-tany ny sakafo vokarin’ny tany. Dia inona izany ny olana mahatonga ny mosary, raha izany no izy? Inona no lazain’ny Baiboly hoe hataon’i Jehovah, d ilay Mpamorona antsika, mba hamahana an’ireo olana ireo?
Olana: Tsy vitan’ny fitondram-panjakana ny manafoana ny fahantrana sy ny tsy rariny, nefa ireo no mahatonga ny olona tsy hahazo ny sakafo ilainy.
Vahaolana: Hosoloana fitondram-panjakana tonga lafatra ny fitondram-panjakan’olombelona rehetra. Antsoina hoe Fanjakan’Andriamanitra izy io. (Daniela 2:44; Matio 6:10) Tsy manam-bola hividianana sakafo ny olona mahantra amin’izao. Hiova anefa izany rehefa mitondra i Jesosy Kristy, ilay Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Izao no lazain’ny Baiboly momba azy: “Hovonjeny ny mahantra miantso vonjy, sy ny madinika, ary izay rehetra tsy mba misy manampy. . . . Hahavokatra be ny tany; ho be dia be ny vokatra, na dia eny an-tampon-tendrombohitra aza.”—Salamo 72:12, 16.
Olana: Mandravarava ny ady, sady miteraka olana ara-toe-karena. Vokatr’izany, dia lasa sarotra be amin’ny olona ny mahita an’izay sakafo ilainy.
Vahaolana: “[Ataon’i Jehovah] tsy misy ady intsony eran-tany. Tapatapahiny ny tsipìka, ary potipotehiny ny lefona; dorany ny kalesy fitondran’ny miaramila miady.” (Salamo 46:9) Hopotehin’Andriamanitra daholo ny fitaovam-piadiana, dia horinganiny ny olona tompon’andraikitra amin’ny ady. Ho mora kokoa amin’ny olona amin’izay ny hahazo sakafo ara-pahasalamana. Mampanantena ny Baiboly hoe: “Ho be dia be ny olo-marina, ary ho be ny fiadanana.”—Salamo 72:7.
Olana: Manimba ny voly sy mamono ny biby fiompy ny toetrandro mampidi-doza sy ny hetraketraky ny natiora.
Vahaolana: Hofehezin’Andriamanitra ny herin’ny natiora, dia amin’izay lasa afaka mamokatra be ny tany. Milaza ny Baiboly hoe: “Mampitony ny tafio-drivotra [i Jehovah], dia tsy misamboaravoara intsony ny onjan-dranomasina. . . . Manova ny tany efitra ho farihy anirian’ny bararata izy, ary manova ny tany maina ho lasa be loharano. Ataony monina ao ny noana . . . Mamafy voa eny an-tsaha sady mamboly voaloboka izy ireo, ka mahazo vokatra be.”—Salamo 107:29, 35-37.
Olana: Tia tena sy tsy mety afa-po ny olona sasany, dia sakafo tsy azo antoka no vokariny, na tazoniny daholo ny sakafo, dia lasa tsy afaka mahazo amin’ilay izy izay tena mila.
Vahaolana: Hesorin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny ratsy fanahy sy ny olona tsy marina. (Salamo 37:10, 11; Isaia 61:8) “Ilay manome rariny ho an’izay ambakaina, ary manome hanina ho an’ny noana” no iantsoan’ny Baiboly an’i Jehovah Andriamanitra.—Salamo 146:7.
Olana: Lanilany foana na very ny ampahatelon’ny sakafo vokarina eran-tany, isan-taona.
Vahaolana: Ho voatantana tsara ny sakafo rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy nandanilany foana ny sakafo i Jesosy, tamin’izy teto an-tany. Nisy fotoana, ohatra, izy nanome sakafo olona 5 000 mahery tamin’ny fomba mahagaga. Nandidy ny mpianany izy avy eo hoe: “Angony ny sombintsombiny sisa tsy lany mba tsy hisy ho verivery fotsiny.”—Jaona 6:5-13.
Hahazo sakafo be dia be sady mahasalama ny olona rehetra, satria hesorin’ny Fanjakan’Andriamanitra daholo ny olana mahatonga ny hanoanana. (Isaia 25:6) Raha tianao ho fantatra hoe rahoviana ny Fanjakan’Andriamanitra no hanao an’izany, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Rahoviana ny Fanjakan’Andriamanitra no Hitondra ny Tany?”
a Ny Programme de développement durable à l’horizon 2030, neken’ny firenena rehetra anisan’ny Firenena Mikambana tamin’ny 2015.
b Tatitra niraisan’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo sy ny Fambolena, ny Banky Iraisam-pirenena ho An’ny Fampandrosoana ny Tontolon’ny Fambolena, ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza, ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo Eran-tany, ary ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana.
c Raha tianao ny hahafantatra bebe kokoa momba an’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza Ireo Mpitaingin-tsoavaly Efatra?”
d Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?”