Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Nisy i Davida Raha Jerena ny Zavatra Hitan’ny Mpikaroka ny any Ambanin’ny Tany

Tena Nisy i Davida Raha Jerena ny Zavatra Hitan’ny Mpikaroka ny any Ambanin’ny Tany

 Milaza ny Baiboly fa velona tamin’ny taonjato faha-11 Talohan’i Kristy (T.K.) i Davida Mpanjaka, ary nanjaka an-jatony taona ny taranany. Milaza anefa ny mpanao tsikera hoe tsy tena nisy i Davida, fa noforonin’ny olona fotsiny ny tantarany tatỳ aoriana. Tena nisy àry ve i Davida sa noforonina fotsiny ny tantarany?

 Nahita silaka vato tany Tel Dana, any amin’ny faritra avaratr’i Israely, ilay mpikaroka ny any ambanin’ny tany antsoina hoe Avraham Biran sy ny ekipany, tamin’ny 1993. Nisy soratra teo amin’ilay izy hoe “Taranak’i Davida.” Litera semitika fahiny no nanoratana an’ilay izy, tamin’ny taonjato fahasivy T.K. Azo inoana fa tamin’ny tsangambato natsangan’ny Aramianina io silaka vato io. Mety hoe nanao an’io tsangambato io izy ireo satria te hirehareha hoe efa resiny imbetsaka ny Israelita.

 Hoy ny lahatsoratra iray ao amin’ny Bible History Daily: “Misy zavatra mampisalasala ihany momba an’ilay soratra hoe ‘Taranak’i Davida’ ... Na izany aza anefa, dia miaiky ny ankamaroan’ny manam-pahaizana momba ny Baiboly sy ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany fa io silaka vato tany Tel Dana io no porofo mivaingana voalohany fa tena nisy i Davida Mpanjaka, ilay resahin’ny Baiboly. Nanoratra momba azy io ilay gazety ara-tsiansa hoe BAR [Biblical Archaeology Review]. Anisan’ireo zavatra lehibe indrindra hitan’ny mpikaroka noresahin’io gazety io ilay izy.”