Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena ho Tonga Tokoa ve ny Faran’izao Tontolo Izao?

Tena ho Tonga Tokoa ve ny Faran’izao Tontolo Izao?

 Inona no tonga ao an-tsainao rehefa maheno hoe “faran’izao tontolo izao”? Mety hoe loza maneran-tany angamba, dia ho faty daholo ny zavamananaina rehetra. Misy mino hoe tena hitranga izany, indrindra rehefa maheno vaovao hoatr’ireto ry zareo:

  •   “Tena mety hisy ny ady niokleary. Mety ho fanahy iniana ilay izy na tsia, na koa mety ho vokatry ny tsy fifankazoan-kevitra fotsiny.”​—Bulletin of the Atomic Scientists.

  •   “Tato anatin’ny folo taona, dia be dia be mihitsy maneran-tany ny rivo-doza nandravarava, ny ala may, ny hain-tany, ny vato harana niofo, ny hafanam-be, ary ny tondra-drano.”​—National Geographic.

  •   “Lasa nirongatra be ny andiam-balala any Afrika, sady vao mainka betsaka ny zavatra simbany raha oharina amin’ny hatramin’izay.”​—The Associated Press.

 Ho potika ve ny tany, amin’ny faran’izao tontolo izao? Inona no lazain’ny Baiboly?

Ho potika ve ny tany?

 Tsia. Manome toky antsika ny Tenin’Andriamanitra fa haharitra mandrakizay ny tany. (Mpitoriteny 1:4) ‘Handringana an’izay manimba ny tany’ Andriamanitra fa tsy hoe hanapotika ny tany.​—Apokalypsy 11:18.

Tena ho tonga tokoa ve ny faran’izao tontolo izao?

 Araka ny Baiboly, ilay “tontolo” lazaina fa hifarana dia ny olombelona rehetra tsy miraharaha ny tari-dalan’Andriamanitra fa manao izay tiany fotsiny. Nandringana “tontolo feno olona tsy natahotra [azy]” Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa, dia hoatr’izany koa no hataony amin’ny hoavy.​—2 Petera 2:5; 3:7.

 Milaza ny 1 Jaona 2:17 hoe: “Mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany.” Asehon’io andininy io fa tsy ny tany ara-bakiteny akory no ho potika. Ny mpanao ratsy tsy mety miova kosa no horinganin’Andriamanitra.

Rahoviana no ho tonga ny farany?

 Tsy lazain’ny Baiboly hoe rahoviana marina no ho tonga ny farany. (Matio 24:36) Resahiny anefa hoe inona no porofo fa efa akaiky izy io. Efa nolazain’ny Baiboly mialoha, ohatra, ireto:

 Be dia be no miaiky fa mifanaraka amin’izay voalazan’ny Baiboly mialoha ny zava-mitranga eran-tany, nanomboka tamin’ny 1914. Mino àry izy ireo fa efa tena akaiky ny farany. Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Asehon’ny Fanisan-taonan’ny Baiboly Momba ny Taona 1914?” sy ilay hoe “Inona avy ny Famantarana ny ‘Andro Farany’?

Inona no dikan’ilay teny hoe “apokalypsy” ao amin’ny Baiboly?

 Ilay teny grika tany am-boalohany nadika hoe “apokalypsy” dia midika hoe “fanalana sarona” na “fampiharihariana.” Matetika io teny io no midika hoe mampiharihary fanazavana nafenina. Miresaka momba ny ‘fampiharihariana an’i Jesosy Tompo’ koa ny Baiboly. Hitranga izany rehefa hiharihary fa i Jesosy no manana fahefana hanafoana ny faharatsiana rehetra eto an-tany sy hamaly soa an’ireo manompo an’Andriamanitra.​—2 Tesalonianina 1:6, 7; 1 Petera 1:7, 13.

 Antsoina hoe Apôkalypsis, na Apokalypsy, ny boky farany ao amin’ny Baiboly, satria mampiharihary ny zavatra hitranga amin’ny hoavy. (Apokalypsy 1:1) Miresaka vaovao tsara sy hafatra manome fanantenana io boky io. (Apokalypsy 1:3) Resahina ao hoe hofoanan’Andriamanitra daholo ny tsy rariny ary hataony lasa paradisa ny tany. Tsy hijaly intsony ny olona amin’izay, ary na ny fahafatesana aza tsy hisy intsony.​—Apokalypsy 21:3, 4.

 Te hahafantatra bebe kokoa momba an’ireo fampanantenana tsara be ao amin’ny Baiboly ireo ve ianao? Afaka manampy anao amin’izany ny fampianarana Baiboly maimaim-poana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Maninona raha mba miresaka amin-dry zareo androany?