Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tena Tian’ny Ankizy Ireny Video Ireny

Tena Tian’ny Ankizy Ireny Video Ireny

Tena be mpitia ilay fizarana hoe Ataovy Namanao i Jehovah. Misy hira sy video ahitana ny tantaran’i Kaleba sy Sofia ao amin’ilay izy. Samy nanoratra taratasy fisaorana momba an’ireny video ireny ny ray aman-dreny sy ny ankizy. Ireto ny sasantsasany amin’ny tenin’ireo ankizy:

  • “Misaotra tamin’ilay DVD hoe ‘Izay Mihaino sy Mankatò dia Hotahina Tokoa.’ Mijery an’ilay izy foana aho isan’andro miaraka amin’ilay jagoara kilalaoko.”—Zach, 5 taona.

  • “Lasa haiko tamin’ilay hira vaovao iny hoe tia an’ahy Jehovah, dia tiany koa aho hivavaka aminy foana.”—Mikariah, 6 taona.

  • “Lasa haiko hoe mila manaja an’i Dada sy Neny aho, dia mandamina an’izay korontana nataoko koa rehefa avy milalao. Misaotra anareo nanao an’ireny filma ho an’ny ankizy ireny.”—Nicole, 8 taona.

  • “Misaotra betsaka amin’ireny video ireny. Mahafinaritra be mihitsy ilay izy sady mampihomehy. Tiako ilay izy.”—Mckenzie, 5 taona.

  • “Tiako daholo ny video ao amin’ilay hoe Ataovy Namanao i Jehovah. Mijery azy ireny foana aho isan’andro. Tsara fanahy be mihitsy i Jehovah mampianatra hoatr’ireny.”—Ava, 8 taona.

  • “Tiako ny mijery an’ireny video ireny. Ianarako daholo ilay hira. Lasa tiako i Jehovah rehefa mijery an’ireny video ireny aho.”—Devon, 4 taona.

  • “Tsy andriko mihitsy izay ivoahan’ny video Kaleba manaraka. Tohizo fa tsara ny asa ataonareo!”—Vance, 8 taona.

Aostralia—Shiloh, 6 taona

Lesona 12: Nitsidika Betela i Sofia sy Kaleba

Aostralia—Sienna, 8 taona

Hira 106: Miezaha mba ho Naman’i Jehovah

Brezila—Eduardo, 10 taona

Lesona 13: Hanampy Anao ho Sahy Hitory i Jehovah.

Alemaina—Michele, 11 taona

Lesona 10: Mba Mahaiza Mizara

Alemaina—Priscilla, 8 taona

Lesona 11: Mahaiza Mamela Heloka

Japon—Miku, 7 taona

Lesona 13: Hanampy Anao ho Sahy Hitory i Jehovah

Japon—Tomoaki, 10 taona

Lesona 6: Manaova Azafady dia Mahaiza Misaotra

Meksika—Samuel, 7 taona

Lesona 9: ‘Namorona ny Zava-drehetra i Jehovah’

Etazonia—Adriana, 6 taona

Hira 92: “Torio ny Teny”

Etazonia—Anthony, 11 taona

Lesona 2: Ankatoavy i Jehovah

Fanampim-panazavana

Ahoana no Hahatonga ny Ankizy ho Tia An’Andriamanitra?

Ahoana no hampianaranao Baiboly ny zanakao?

Ampianaro Hahay Hitondra Tena Tsara ny Zanakao

Tena mahalala momba ny firaisana ve ny zanakao? Fantaro izay lazain’ny Baiboly sy izay hampianarinao ny zanakao.