Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana Notsorina

Ny Tilikambo Fiambenana Notsorina

Nanomboka tamin’ny laharana Jolay 2011 dia navoaka ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana notsorina amin’ny teny anglisy, ary natao andrana nandritra ny herintaona izany. Tapitra izao ilay andrana ary tapaka ny hevitra fa hotohizina ny famoahana an’ilay gazety notsorina.

Hisy amin’ny teny espaniola sy frantsay ary portogey koa ilay gazety notsorina manomboka amin’ny Janoary 2013.

Tsy teny anglisy no fitenin-drazan’ny olona sasany manatrika fivoriana amin’ny teny anglisy any amin’ny Efitrano Fanjakana. Natao hanampiana azy ireny ny gazety notsorina.

Taorian’ny nivoahan’ny laharana voalohany dia efa betsaka no nandefa taratasy fankasitrahana. Izao, ohatra, no nosoratan’i Rebecca, 64 taona, mipetraka any Liberia, ary tsy tany an-tsekoly mihitsy: “Mianatra mamaky teny aho. Mamaky Ny Tilikambo Fiambenana aho nefa tsy azoko ilay izy indraindray. Tiako ilay gazety notsorina satria azoko.

Betsaka ny ray aman-dreny mampiasa ny gazety notsorina mba hanampiana ny zanany hanomana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Anisan’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io.

Hoy i Rosemary, izay mitaiza ny zafikeliny telo: “Sarotra ny nianatra Ny Tilikambo Fiambenana miaraka amin’izy telo vavy. Tsy maintsy nampiasa diksionera izahay mba hijerena ny dikan’ny teny maro. Nandany fotoana be namantatra ny filaharan’ny teny tao amin’ny lahatsoratra sasany izahay, ka matetika no tsy azon’ny ankizy intsony ny hevi-dehibe. Izao kosa izahay manam-potoana malalaka hamakiana ny andinin-teny sy hijerena ny ifandraisany amin’ilay fianarana.