Hijery ny anatiny

Fanaovam-pirinty Maneran-tany: Manampy Olona Hahalala An’Andriamanitra

Fanaovam-pirinty Maneran-tany: Manampy Olona Hahalala An’Andriamanitra

Mamaky ny boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona maneran-tany. An-tapitrisany no mamaky azy ireny amin’ny endrika elektronika, toy izao ataonao izao. Mety ho gaga anefa ianao raha mahalala hoe hoatran’ny ahoana ny pirinty ataonay. Namoaka boky sy gazety ara-baiboly tamin’ny fiteny 700 teo ho eo izahay, tamin’ny 2013, ary nizara azy ireny tany amin’ny tany 239.

Orinasa no nanao pirinty ny bokinay rehetra, taloha. Izahay anefa no nanomboka nanao pirinty ny gazety sy ny bokikelinay sasany, tamin’ny 1920. Trano kely nohofana tao Brooklyn, any New York, no nampiasainay tamin’izay. Manana toerana fanaovam-pirinty 15 anefa izahay izao any Afrika, Amerika Atsimo sy Avaratra, Aostralia, Azia, ary Eoropa.

Ilay boky sarobidy indrindra aminay

Mazava ho azy fa ny Baiboly no boky sarobidy indrindra ataonay pirinty. Tamin’ny 1942 izahay no nanao pirinty Baiboly voalohany, dia ilay Baiboly anglisy Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques. Nanomboka nandika sy nanao pirinty Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1961. Efa nahavita 184 tapitrisa mahery tamin’io Baiboly io, tamin’ny fiteny 121, izahay tamin’ny 2013.

Tsy ireo tarehimarika ireo fotsiny anefa no mahavariana. Mateza be koa ny Baiboly avoakanay. Tsy misy asidra ny taratasy ampiasainay ka tsy mivadika ho mavomavo, sady mikambana tsara. Tsy mora simba àry ireo Baiboly na dia ampiasaina isan’andro aza.

Zavatra hafa atao pirinty

Manao pirinty zavatra hafa koa izahay mba hanampiana olona hahatakatra an’izay lazain’ny Baiboly. Jereo ireto tarehimarika tamin’ny 2013 ireto:

  • Ny Tilikambo Fiambenana no gazety tena ataonay pirinty. Misy amin’ny fiteny 210 mahery izy io, ary io no gazety miely indrindra eran-tany. Misy pejy 16 izy io ary 45000000 no indray mivoaka isaky ny laharana.

  • Mifohaza! no naman’ny Tilikambo Fiambenana ary izy no gazety faharoa miely indrindra eran-tany. Misy amin’ny fiteny 99 izy io ary 44000000 no indray mivoaka isaky ny laharana.

  • Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Boky misy fonony malefaka, misy pejy 224, natao hanampiana ny mpamaky hahalala ny zavatra fototra ampianarin’ny Baiboly. Efa 214 tapitrisa mahery no natao pirinty nanomboka tamin’ny 2005, tamin’ny fiteny 240 mahery.

  • Mihainoa An’Andriamanitra. Bokikely misy pejy 32, natao hanampiana an’ireo tsy afaka mamaky teny tsara. Hazavainy amin’ny fomba tsotra, miaraka amin’ny sary tsara tarehy sy soratra vitsivitsy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Efa 42 tapitrisa mahery no natao pirinty, amin’ny fiteny 400 mahery.

Tsy ireo ihany no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah pirinty fa mbola maro ny boky sy bokikely ary taratasy mivalona avoakany mba hanampiana ny mpianatra Baiboly hahita ny valin’ny fanontaniany ara-baiboly, na hiatrika olana, na hanana fianakaviana sambatra. Gazety 1300 tapitrisa mahery ary boky sy Baiboly 80 tapitrisa mahery no nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah pirinty tamin’ny 2012.

Gazety 1300 tapitrisa mahery ary boky sy Baiboly 80 tapitrisa mahery no nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah pirinty tamin’ny 2012

Matetika izay mitsidika an’ireny trano fanaovam-pirinty ireny no gaga mahita olona mazoto miasa. Mahafoy ny fotoanany sy ny heriny daholo ireny mpiasa ireny nefa tsy mandray karama. Mbola tsy nanao pirinty mihitsy ny ankamaroan’izy ireo rehefa tonga tany amin’ny Betela, izay midika hoe “Tranon’Andriamanitra.” Lasa mahay tsara anefa izy ireo rehefa ampiofanina sady falifaly miara-miasa. Fahita, ohatra, ny tovolahy 20 taona mahery miasa amin’ireo milina fanontam-pirinty mahavita mamoaka gazety 16 pejy, 200000 isan’ora.

Iza no mpamatsy vola?

Fanomezana an-tsitrapo no anohanana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Hoy Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona (anglisy, Ny Tilikambo Fiambenana ankehitriny), tamin’ny Aogositra 1879: “I JEHOVAH no mpanohana ‘Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona’, ary tsy hangataka na hiangavy olona hanohana azy mihitsy izy.” Izany no mbola tsapanay hatramin’izao.

Fantatrao ve hoe nahoana izahay no mandany fotoana be sy vola be ary miezaka be manao pirinty? Satria mety hamaky ny iray amin’ireny Baiboly sy boky an-tapitrisany ireny ianao, na vita pirinty ilay izy na ato amin’ny Internet, ary manantena izahay fa hanampy anao hanatona an’Andriamanitra izany.