Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tsy Manavakavaka Izahay

Tsy Manavakavaka Izahay

Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa mitovy daholo ny karazan’olona rehetra eo imason’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Miezaka manampy ny olona mba tsy hanavakavaka izahay rehefa mampianatra Baiboly, na dia efa lalim-paka ao am-pon’izy ireo aza izany.

Misy olona miezaka manao fihetsiketsehana satria mankahala ny olona avy amin’ny foko na firazanana iray. Tsy manohana an’izany koa izahay. Tsy nety nanohana an’i Hitler, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina sy tany an-tany hafa, nandritra ny fitondrana nazia. Vavolombelona an-jatony no namoy ny ainy vokatr’izany.

Tsy nampirisika ny mpivavaka ao aminy handray anjara tamin’ilay fandripahana foko tany Rwanda koa ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1994. Nanao vivery ny ainy na maty mihitsy aza ny sasany tamin’izy ireo rehefa nanafina an’ireo olona nenjehina sy notadiavina hovonoina.

Mamoaka boky sy gazety ara-baiboly amin’ny fiteny 600 eo ho eo izahay ary mizara izany, satria te hanampy ny olona rehetra. Raisinay tsara àry ny olona avy amin’ny “firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra” any amin’ny fiangonanay.—Apokalypsy 7:9.

 

Fanampim-panazavana

NY TILIKAMBO FIAMBENANA

Rahoviana no Tsy Hisy Intsony ny Fanavakavahana?

Vakio ato fa dieny izao ny Baiboly dia efa manampy ny olona tsy hanavakavaka. Rahoviana no ho fongotra ny fanavakavahana?

NY TILIKAMBO FIAMBENANA

Ny Fivavahana sy ny Resaka Ady

Nilaza i Jesosy fa tokony ho tia namana ny mpanara-dia azy. Manaraka an’izany ve ny fivavahana ankehitriny?