Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Miaro ny Tontolo Iainana ny Vavolombelona ka Nomena Mari-pankasitrahana

Miaro ny Tontolo Iainana ny Vavolombelona ka Nomena Mari-pankasitrahana

Fito taona nisesy izay ny trano fanaovana pirintin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika no nahazo taratasy ho mari-pankasitrahana.

Nanome taratasy manokana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanjakana any Meksika tamin’ny 26 Septambra 2012, ho fankasitrahana azy ireo. “Mikarakara sy miaro ny tontolo iainana foana” mantsy izy ireo.

Misy fandaharana natao any Meksika mba hanampiana an’ireo orinasa hiroborobo nefa tsy hanimba tontolo iainana. Tsy misy orinasa terena handray anjara amin’izany, nefa mandray anjara an-tsitrapo isan-taona ny Vavolombelon’i Jehovah na dia tsy natao hitadiavam-bola aza ny fikambanany. Nilaza ny mpitondra tenin’ilay fanaovana pirinty any Meksika fa efa mametraka fenitra momba ny fiarovana ny tontolo iainana ny fanjakana, mifandray amin’ireto: Rivotra, rano, fako, aro loza, herinaratra, ary fampiofanana momba ny fikajiana ny tontolo iainana. Raha te hahazo mari-pankasitrahana àry izy ireo, dia tsy maintsy asehony hoe mifanaraka amin’izany fenitra izany ny fomba fiasany sy ny loto avoakan’ilay fanaovana pirinty.

Miezaka mafy ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany mba tsy hanao zavatra mety hanimba ny tontolo iainana.

 

Fanampim-panazavana

IZA NO TENA MANAO NY SITRAPON’I JEHOVAH?

Iza moa ny Vavolombelon’i Jehovah?

Firy ny Vavolombelon’i Jehovah fantatrao? Ary inona no tena fantatrao momba anay?