Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

An’arivony no Mianatra Mamaky Teny sy Manoratra

An’arivony no Mianatra Mamaky Teny sy Manoratra

Olona 5 700 mahery no nampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah hamaky teny sy hanoratra, tamin’ny 2011.

Ghana:

Olona 9 000 mahery no nampianarinay hamaky teny sy hanoratra tato anatin’ny 25 taona.

Zambia:

Olona efa ho 12 000 no nihanahay namaky teny sy nanoratra, nanomboka tamin’ny 2002. Hoy i Agnes, 82 taona: “Rehefa nampandrenesina hoe hisy kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra ao amin’ny fiangonana, dia faly erỳ aho nisoratra anarana. Nahay nanoratra ny anarako aho tamin’ny lesona voalohany.

Peroa:

Hoy ny mpianatra iray 55 taona: “Tsy nalefan’ny ray aman-dreniko tany an-tsekoly aho ka tsy nieritreritra mihitsy hoe mba hahay hamaky teny sy hanoratra.

Mozambika:

Olona 19 000 mahery no nahay namaky teny tato anatin’ny 15 taona. Hoy i Felizarda: “Faly aho satria lasa afaka mitady andinin-teny ao amin’ny Baiboly sy mamaky azy ireny amin’ny hafa. Sarotra be tamiko izany taloha.

Nosy Salomon:

Izao no nosoratan’ny biraon’ny sampanay: “Tsy afaka nianatra ny olona maro nipetraka tany amin’ny toerana mitokana, taloha. Vitsy koa ny ankizivavy nandia fianarana. Nandray soa tamin’ilay kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra àry ny olon-dehibe. Maro no lasa matoky tena kokoa aorian’ilay fianarana.