Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manampy Amin’ny Fanatsarana An’i Rostov-on-Don ny Vavolombelon’i Jehovah

Manampy Amin’ny Fanatsarana An’i Rostov-on-Don ny Vavolombelon’i Jehovah

Nanoratra taratasy hisaorana ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpitantana an’i Rostov-on-Don, tanàna lehibe indrindra any amin’ny faritra atsimon’i Rosia, tamin’ny 20 Mey 2015. Noderainy izy ireo satria “tena nazoto nandray anjara tamin’ny fanatsarana an’ilay tanàna, nandritra ny lohataona.”

Vavolombelon’i Jehovah avy amin’ny fiangonana efatra no nandroaka an’ireo fako niangona teny amin’ny lalana sy teny amoron’ny renirano, nandritra an’ilay ezaka hanatsarana an’i Rostov-on-Don. Nahafeno fitoeram-pako 300 teo ho eo izy ireo tao anatin’ny ora vitsivitsy, ary narian’ny kamiao izany avy eo.

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mazoto manampy ny mpiara-monina aminy? Hoy i Raisa, 67 taona: “Tsy maintsy manao zavatra aho. Tiako raha madio ny tanàna dia amin’izay madio ny manodidina ny mpiara-monina amiko. Faly aho manao an’ilay asa na dia vitsy aza no mahatsikaritra ny zavatra ataonay. Hitan’i Jehovah Andriamanitra foana izany.” Hoy koa i Aleksander: “Manampy ny olona koa izahay fa tsy hoe mitory amin-dry zareo fotsiny. Tena faly sy afa-po aho rehefa manao zavatra ho an’ny mpiray tanàna amiko.”

Faly ny olona nahita ny Vavolombelon’i Jehovah nazoto niasa. Gaga ny lehilahy iray rehefa nahafantatra hoe tsy nokaramaina ny Vavolombelon’i Jehovah. Lasa nanampy azy ireo izy, ary niteny izy avy eo hoe: “Tsy noeritreretiko mihitsy hoe mahafinaritra sy mahafa-po ny manadio.” Hoy koa izy: “Tsy mipetraka atỳ akory ny sasany aminareo nefa tonga atỳ ianareo hanadio ny tanànanay.”

Voamariky ny manam-pahefana iray fa nahangona fako be dia be mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy. Nalainy sary teo akaikin’ireo harona be feno fako izy ireo satria tiany “haseho amin’ny olona hoe ahoana no tokony ho fomba fiasa.”