Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Fizarana Diplaoman’ny Kilasy Faha-138 Amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada

Fizarana Diplaoman’ny Kilasy Faha-138 Amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada

Tamin’ny 14 Martsa 2015 no nozaraina ny diplaoman’ireo mpianatra tamin’ny Sekolin’i Gileada kilasy faha-138. Tany amin’ny foibem-pampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Patterson, any New York, ilay izy no natao. Nisy 14 000 mahery ny mpanatrika, anisan’izany ireo nanaraka an’ilay fandaharana tamin’ny alalan’ny video, tany amin’ny toerana samy hafa. Nisy hira vaovao efatra nohiraina tamin’ilay fandaharana. Ny feon’ireo hira ireo no nanombohana an’ilay izy. *

I Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no mpanolotra fandaharana. Nampirisika an’ireo mpianatra izy mba tsy hihazona ny zavatra nianarany ho azy ireo samirery, fa hizara izany amin’ny hafa, amin’izay mba mandray soa koa ny hafa.—2 Timoty 2:2.

Niresaka momba an’i Mosesy ny Rahalahy Jackson. Ny tranolain’i Mosesy, tamin’ny voalohany, no foiben’ny fivavahana tamin’i Jehovah, tamin’ny andron’ny Israely. Ny tranolay masina anefa no lasa foiben’ny fivavahana tamin’i Jehovah, tatỳ aoriana. Nisy toerana natao hoe Masina Indrindra tao amin’io tranolay io. Tsy nahazo nankao i Mosesy, fa ny mpisoronabe ihany no afaka niditra tao. I Arona no voatendry ho mpisoronabe. Tsy milaza mihitsy anefa ny Baiboly hoe tsy faly i Mosesy. Nanohana an’i Arona foana izy tamin’ilay andraikitra vaovao azon’i Arona. (Eksodosy 33:7-11; 40:34, 35) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Hoy ny Rahalahy Jackson: “Hevero ho sarobidy izay tombontsoa anananareo, nefa aza fihinina ho anareo samirery.”

“Feona Ravinkazo ve dia Hampatahotra Anareo?” Io no lahateny nataon’i Kenneth Flodin, anisan’ny mpanampy ny Komitin’ny Fampianarana eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana. Nilaza izy fa mety hisy zavatra hampahatahotra an’ireo mpianatra, ohatra hoe fanenjehana na zava-tsarotra hafa. Naka hevitra tao amin’ny Levitikosy 26:36 izy, ka nampirisika azy ireo mba hihevitra an’ireny olana ireny ho toy ny feona ravinkazo maina fotsiny. Tsy tokony hieritreritra izy ireo hoe tsy ho vitany mihitsy ny hiatrika an’ilay izy. Nanasongadina ny ohatra navelan’ny apostoly Paoly avy eo ny Rahalahy Flodin. Nilaza izy fa afaka niaritra zava-tsarotra be dia be i Paoly, satria natoky an’i Jehovah.—2 Korintianina 1:8, 10.

“Inona no Tadiavinareo?” Io no lahateny nataon’i Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Noresahiny tamin’izany ilay toro lalana ao amin’ny Ohabolana 13:12 hoe: “Marary ny fo raha mihemotra foana ny fahatanterahan’ny zavatra antenaina.” Mampalahelo fa be dia be ny olona diso fanantenana satria zavatra mety tsy ho vitany mihitsy no nezahiny notratrarina, ohatra hoe ny hanan-karena na hoe halaza.

Diso hevitra momba an’i Jaona Mpanao Batisa ny olona tamin’ny andron’i Jesosy. (Lioka 7:24-28) Nanantena angamba izy ireo hoe hanao hoatran’ny ataon’ny filozofa i Jaona. Mety hoe hampianatra zavatra mahafinaritra ny olona fotsiny izy, na dia tsy azon’izy ireo akory aza ilay izy satria saro-takarina. Diso fanantenana anefa izy ireo satria tsotra sady mazava ny zavatra nampianariny. Ny hafa indray mety nanantena hoe hiavaka be mihitsy ny paozin’i Jaona. Akanjo tsotsotra hoatran’ny fanaon’ny olona mahantra anefa no nanaovany. Nisy indray nanantena hoe mpaminany izy. Tsy diso fanantenana izay nieritreritra an’izany, satria mpaminany tokoa i Jaona sady mpialoha lalana ny Mesia.—Jaona 1:29.

Nampirisika an’ireo mpianatra àry ny Rahalahy Sanderson mba hitady zavatra tsara foana. Tsy tokony hitady laza izy ireo na hanantena hoe hohindrahindraina be. Izay azony anampiana ny hafa no tokony hifantohan’izy ireo. Ahoana no hanaovan’izy ireo an’izany? Tokony hozarainy amin’ny hafa ny zavatra nianarany nandritra an’ilay sekoly. Tokony hanatanjaka ny finoan’ireo rahalahy sy anabavy koa izy ireo, ary ho tia azy ireo. Hoy ny Rahalahy Sanderson: “Miezaha hanetry tena ka hanompo an’ireo rahalahy sy anabavy. Ataovy izay tsara indrindra vitanareo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, dia tsy ho diso fanantenana mihitsy ianareo.”

“Fahano Ireo Noana.” Io no lahateny nataon’i James Cauthon, anisan’ny mpampianatra ao amin’ny sampan-draharahan’ireo sekoly any Patterson. Nilaza izy fa samy maniry hotiavina sy hankasitrahana ary hanaovana teny fiderana daholo ny olona. Na i Jesosy aza mba nila an’izany koa. Tamin’i Jesosy natao batisa àry, dia nilaza taminy i Jehovah fa tiany sady ankasitrahany i Jesosy.—Matio 3:16, 17.

Azontsika atao ny mampahery sy manatanjaka ny hafa amin’ny zavatra lazaintsika, sady izany mihitsy no tian’i Jehovah hataontsika. (Ohabolana 3:27) Hoy ny Rahalahy Cauthon: “Miezaha hifantoka amin’ny toetra tsaran’ny hafa ary aza misalasala midera azy ireo.” Ho tsapan’ny mpiray finoana amintsika fa tsy very maina ny ezaka ataon’izy ireo, raha midera azy amin’ny fo isika.

“Nahafoy Tena Hatramin’ny Farany.” I Mark Noumair, anisan’ny mpanampy ny Komitin’ny Fampianarana, no nanao ny lahateny manaraka. Niresaka ny ohatry ny apostoly Paoly izy mba hampirisihana an’ireo mpianatra tsy hianina fotsiny amin’izay takina amin’izy ireo. Tokony hanao sorona ny tenany toy ny nataon’i Paoly kosa izy ireo mba hanampiana ny hafa. Ho faly izy ireo amin’izay.—Filipianina 2:17, 18.

Tsy kivy i Paoly na dia nisy zava-tsarotra aza. Niezaka foana izy mandra-pahafatiny, ka hita tokoa hoe nahafoy tena hatramin’ny farany. Afaka nilaza izy hoe: “Efa nahavita ny fihazakazahako aho.” (2 Timoty 4:6, 7) Nampirisika an’ireo mpianatra àry ny Rahalahy Noumair mba hanahaka an’i Paoly, ka hanohana foana an’ilay Fanjakana any amin’izay tany nanendrena azy ireo.

Fitantarana. Nanadinadina mpianatra vitsivitsy avy eo i Michael Burnett, anisan’ny mpampianatra. Nasaina nataon’izy ireo fampisehoana ny zavatra hitany teny amin’ny fanompoana, tamin’izy ireo tany Patterson.

Nahita vokatra tsara ireo mpianatra satria nanararaotra nitory isaky ny afaka nanao izany. Niezaka nampiasa ny fitenin-drazan’ny olona koa izy ireo rehefa nitory ny fahamarinana. Nisy niteny tamin’ny mpianatra iray, ohatra, fa betsaka olona miteny espaniola any amin’ny faritany noeritreretin’ilay mpianatra hitoriana. Nianatra teny espaniola vitsivitsy tao amin’ny JW Language àry izy, talohan’ny handehanany hanompo. Nahita lehilahy miteny espaniola tokoa izy teny an-dalana, tamin’io andro io. Nampiasa an’ireo teny vitsivitsy nianarany izy, mba hanombohana resaka. Nanaiky hianatra Baiboly ilay lehilahy sy ny havany efatra.

Fanadinadinana. Nanadinadina mpianatra efatra avy eo i William Turner, anisan’ny mpanampy ny Komitin’ny Fanompoana eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana. Nasainy notantarain’izy ireo ny zavatra niainany talohan’ny nanaovany an’ilay sekoly sy ny vokatr’ilay fampiofanana tamin’izy ireo.

Noresahin’ireo mpianatra izay hevitra nampahery azy tamin’ilay fianarana. Notantarain’ny iray tamin’izy ireo, ohatra, ny zavatra nianarany avy tamin’ilay tantara ao amin’ny Lioka toko 10. Faly ireo mpianatra 70 rehefa avy nirahin’i Jesosy hitory, satria nahita vokatra tsara. Faly koa i Jesosy. Nilaza anefa izy fa tsy ny vokatra hitan’izy ireo no tena tokony hahafaly, fa ny hoe nankasitrahan’i Jehovah ny ezaka nataon’izy ireo. Mampahatsiahy antsika izany fa tsy miankina amin’ny zava-misy ny fifaliantsika. Faly kosa isika satria ankasitrahan’i Jehovah.

Noresahin’ny Rahalahy Turner tamin’ireo mpianatra avy eo ny Filipianina 1:6. Nomeny toky izy ireo fa “nanomboka asa tsara” teo amin’izy ireo i Jehovah, ka hanampy azy ireo foana izy.

“I Jehovah Foana Jerena.” Io no lahateny fototra nataon’i Samuel Herd, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Nilaza izy fa tsy afaka mahita an’i Jehovah ara-bakiteny isika. Ahoana àry no hijerentsika azy foana?

Mijery an’i Jehovah isika raha mandinika ny zavatra noforoniny, satria manampy antsika hahalala azy izy ireny. ‘Nampahiratin’i Jehovah’ koa ny ‘mason’ny fontsika.’ (Efesianina 1:18) Raha mamaky Baiboly foana àry isika, dia vao mainka hahalala an’i Jehovah. Ary rehefa mahalala azy tsara isika, dia lasa mahatsapa hoe tena akaiky antsika izy.

Ilaintsika ny mianatra bebe kokoa ny Filazantsara, satria tena manampy antsika hahafantatra tsara an’i Jehovah izany. Hita amin’ny zavatra nataon’i Jesosy sy nolazainy mantsy hoe hoatran’ny ahoana i Jehovah. Tena nanahaka an’i Jehovah i Jesosy, ka afaka nilaza hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.”—Jaona 14:9.

Nampirisika ny mpanatrika ny Rahalahy Herd mba hanahaka an’i Jehovah sy Jesosy, fa tsy hianatra momba azy ireo fotsiny. Niezaka nanome izay nilain’ny olona, ohatra, i Jesosy. Tokony hiezaka mafy koa isika mba hizara ny sakafo ara-panahy azontsika.

Inona no ho vokany raha mijery an’i Jehovah foana isika? Hahatsapa toa an’ity mpanao salamo ity isika: “Nataoko teo anatrehako mandrakariva i Jehovah. Tsy hangozohozo aho satria izy eo ankavanako.”—Salamo 16:8.

Famaranana. Namaky taratasy fankasitrahana avy amin’ny iray kilasy ny mpianatra iray, rehefa voazara ny diplaoma. Nilaza avy eo ny Rahalahy Jackson fa tsy tokony hieritreritra ireo mpianatra hoe tsy maintsy zava-baovao sy lalina ny zavatra ampianarin’izy ireo an’ireo rahalahy sy anabavy. Zavatra efa fantatry ny mpiara-manompo mantsy ny ankabeazan’ny zavatra nianaran’ireo mpianatra, fa tokony hampahatsiahiviny azy ireo fotsiny. Nilaza koa ny Rahalahy Jackson fa tena ilaina ny manetry tena. Tokony hisarika ny sain’ny olona amin’ny Baiboly sy ny boky aman-gazety ireo mpianatra, fa tsy tokony hisarika ny sain’ny olona amin’ny tenany na ny fiofanana azony tany Gileada. Tsy tokony hanakivy an’ireo tsy ho afaka hanao an’ilay Sekolin’i Gileada mihitsy koa izy ireo. Ilain’izy ireo kosa ny mampahery azy ireny, ka hanampy azy handray soa avy amin’ny fandaharana ara-panahy azon’izy ireo atrehina. Nampahery an’ireo mpanatrika ilay fandaharana, ary vonona izy ireo hanampy ny mpiray finoana aminy.

^ feh. 2 Efa nahazo an’ilay hira herinandro mialoha izay hanatrika an’ilay fandaharana.

^ feh. 32 Tsy ny tany rehetra no aseho eo amin’ny sarintany.

^ feh. 34 Tsy ny mpianatra rehetra no aseho ato.

Fanampim-panazavana

Inona avy ny Sekoly Azon’ny Mpisava Lalana Atao?

Inona ny sekoly natao hampiofanana ny olona manokana fotoana be dia be mba hitoriana?