Hijery ny anatiny

“Manao Vakansy” koa ny Fampirantiana

“Manao Vakansy” koa ny Fampirantiana

Efa zatra mahita ny Vavolombelon’i Jehovah manao fampirantiana boky sy gazety ara-baiboly ny olona any amin’ny tanàn-dehibe sasany eran-tany. Any Alemaina, ohatra, dia manao fampirantiana any Berlin, Cologne, Hambourg, Munich, ary any amin’ny toeran-kafa be olona ny Vavolombelona.

Ary ahoana ny any amin’ireo tanàna kely fanaovan’ny olona vakansy any Alemaina? Ohatra hoe any amin’ny faritra avaratra sy amoron-tsiraka ary any amin’ireo nosin’ny Ranomasina Baltika sy Ranomasina Avaratra? Mbola handaitra ihany ve ny fampirantiana raha atao any? Nanao fandaharana manokana àry ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Eoropa Afovoany, tamin’ny 2016, mba hahitana ny valin’ireo. Vavolombelona 800 teo ho eo no nanolo-tena an-tsitrapo mba hanao fampirantiana tany amin’ny toerana 60 teo ho eo, tany amin’ny faritra avaratr’i Alemaina, tamin’ny Mey ka hatramin’ny Oktobra. Efa mpanao fampirantiana any amin’ny toerana be olona any an-tanàn-dehibe izy ireo, ary ny sasany aza avy any lavitra be any Vienne any Aotrisy.

“Tompon-tanàna sahady”

Tena faly be ny olona nahita an’ireo Vavolombelona ireo. Niteny, ohatra, ny Vavolombelona iray, anisan’ireo nanolo-tena an-tsitrapo hoe: “Liana be ny olona. Tsara fanahy be ry zareo, sady te hahafantatra momba an’ilay izy, ka tonga dia vonona hiresaka.” Hoy i Heidi, izay nankany Plön: “Vao andro vitsivitsy fotsiny izahay no tonga tany, dia efa nataon’ny olona hoe tompon-tanàna sahady. Ny olona sasany efa nahafantatra anay indray nanofahofa tanana rehefa nahita anay.” Nanao tenin’ny tanana kosa izay lehilahy marenina anankiray izay hoe: “Tena hatraiza hatraiza mihitsy ianareo!” Avy nanatrika fivorian’ny marenina tany amin’ny faritra atsimoatsinanan’i Alemaina mantsy izy sy ny namany tamin’io, ary efa nahita Vavolombelon’i Jehovah koa izy tany.

Ny tompon-tanàna sasany aza nanampy an’ireo Vavolombelona mihitsy. Nanome soso-kevitra, ohatra, ny polisy anankiray tany amin’ny nosin’i Wangerooge, hoe aiza no misy olona betsaka kokoa. Nitondra mpitsangantsangana ny sambo iray tany Waren an der Müritz, ary nanondro toerana mahaliana vitsivitsy tamin-dry zareo ilay kapitenin-tsambo. Nanondro ny fampirantian’ny Vavolombelona teo amin’ny seranana izy avy eo, sady hoy izy: “Eo ianareo afaka mahita boky momba an’Andriamanitra.” Be dia be àry ny mpitsangantsangana nanatona dia namaky an’ireo soratra lehibe teo amin’ireo tabilao fampirantiana.

Ireto bokikely telo ireto no nahaliana an’ireto mpizaha tany sy tompon-tanàna:

  • Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Hoy ny mpizaha tany anankiray: “Efa ela aho no te hahafantatra an’izany. Izao aho vao mahita boky momba an’ilay izy, sady amin’izay atỳ am-panaovana vakansy. Izao aho izao manam-potoana hamakiana an’ity.”

  • Vaovao Tsara Natao ho Anao! Nisy lehilahy be taona iray niteny tamin’ny Vavolombelona hoe diso fanantenana amin’ny fivavahana izy. Nanazava taminy ny Vavolombelona fa tsy mahavita mamaha ny olana mahazo antsika ny olombelona, fa Andriamanitra ihany no mahavita an’izany. Nandray an’ilay bokikely ilay lehilahy ary nilaza fa hamaky an’ilay izy.

  • Andao Hianatra Baiboly! Navelan’ny raim-pianakaviana iray haka an’io bokikely io ny zanany vavikely. Natao ho an’ny ankizikely mantsy io boky io. Naka tamin’ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly koa ilay lehilahy, ary nilaza hoe: “Mety amin’ny fianakaviako ity.”

Naka boky sy gazety 3600 mahery ny mpandalo. Nisy koa nangataka ny hotsidihina any an-tranony, amin’izay tohizina any ilay resadresaka.

Tena tia an’ilay ezaka manokana ny Vavolombelona nandray anjara tamin’ilay izy. Nankany amin’ny toerana akaikin’ny Ranomasina Baltika, ohatra, i Jörg sy Marina vadiny. Hoy ry zareo: “Tianay be ilay izy. Afaka nankafy ny zavaboarin’i Jehovah izahay, sady afaka niresaka tamin’ny olona ny momba azy.” Hoy i Lukas, 17 taona: “Tena tiako ilay izy! Nahafinaritra be an’ahy ilay izy sady afaka niresaka zavatra mahasoa tamin’ny olona aho.”