Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Fampirantiana Baiboly Tena Niavaka Tany Frantsa

Fampirantiana Baiboly Tena Niavaka Tany Frantsa

Olona an’arivony no tonga tao amin’ilay Foara Iraisam-pirenena 2014 tany Rouen, any amin’ny faritra avaratr’i Frantsa. Nahita tranoheva tsara tarehy izy ireo tao, izay manasongadina ny foto-kevitra hoe: “Ny Baiboly: Taloha sy Ankehitriny ary Amin’ny Hoavy.”

Nisy video nalefa tamin’ny efijery teo ivelan’ilay tranoheva. Momba ny Baiboly sora-tanana fahiny ilay izy, ary tena nanintona ny mpitsidika. Rehefa tafiditra tao anatiny izy ireo, dia nahazo fanazavana momba ny torohevitra mahasoa ao amin’ny Baiboly, sy ny porofo fa marina ara-tantara sy ara-tsiansa izy io ary miely be.

Naseho tao amin’ilay fampirantiana fa nisy foana ny Baiboly nandritra ny taonjato maro. Hita tao koa fa olona an’arivony tapitrisa izao no afaka mamaky azy io, na vita pirinty izany na elektronika sady amin’ny endriny isan-karazany. Nahazo Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao iray avy ny mpitsidika. Avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fiteny 120 mahery izy io.

Mpitsidika maro no nankasitraka ny Vavolombelona noho ny ezaka ataon’izy ireo mba hahafahan’ny besinimaro hahazo Baiboly. Manampy ny tanora no asan’ny vehivavy iray, ary nijery an’ilay fampirantiana izy sy ny tanora vitsivitsy. Hoy izy: “Anisan’ny lova iombonantsika ny Baiboly. Manan-kery eo amin’ny fiainan’ny olona izy io. Mahita vahaolana amin’ny olana mahazo ahy foana aho isaky ny mamaky azy io.”

Gaga ny vehivavy iray 60 taona rehefa nahalala hoe afaka mahazo Baiboly iray maimaim-poana izy. Hoy izy: “Tokony hamerina hamaky azy ity daholo isika satria tena ilaintsika rehetra izy ity!”

Fanampim-panazavana

Marina Tsara ve ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao?

Nahoana no tsy mitovy amin’ny Baiboly maro ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao?

Nanankinana ny Fandikana ny “Fanambarana Masin’Andriamanitra”—Romanina 3:2

Nampiasa fandikan-tenin’ny Baiboly maro ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny zato taona lasa. Nahoana izy ireo no nandika ny Baiboly ho amin’ny fiteny anglisy maoderina?