Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Natambatra ny Biraon’ny Sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah

Natambatra ny Biraon’ny Sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah

Ireo sampana lehibe kokoa no lasa miandraikitra an’ireo biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah 20 mahery, nanomboka tamin’ny Septambra 2012.

Nasiana biraon’ny sampana vaovao koa any Serbia sy Macédoine. Antony roa no nahatonga an’izany fiovana rehetra izany.

1. Nanatsotra ny asa ny teknolojia

Nihatsara ny fitaovam-pifandraisana sy ny fanaovana pirinty, tato ho ato, ka tsy nila olona betsaka intsony ny sampana sasany. Lasa nalalaka àry ireo sampana lehibe kokoa ka afaka nandray an’ireo niasa tany amin’ny sampana kely kokoa avy any amin’ny firenena hafa.

Vavolombelona za-draharaha vitsivitsy ao amin’ny tany iray izao no miandraikitra ny asa any amin’ny tany maromaro. Ny sampan’i Meksika, ohatra, no lasa miandraikitra ny asa fitoriana any Costa Rica, Goatemalà, Honduras, Nikaragoà, Panama, ary Salvadaoro. Nakatona àry ny biraon’ny sampana any amin’ireo toerana enina ireo.

Vavolombelon’i Jehovah 40 avy amin’ireo sampana enina ireo no notendrena ho any amin’ny sampan’i Meksika. Nisy 95 teo ho eo nijanona tany amin’ny firenena niaviany ihany, ary lasa mpitory manontolo andro.

Lasa miasa amin’ny biraon’ny fandikan-teny ny olona hafa tany amin’ireny firenena any Amerika Afovoany ireny, ary ny sampan’i Meksika no miandraikitra azy ireo. Vavolombelona 20 eo ho eo any Panama, ohatra, no mandika boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho amin’ny fiteny vitsivitsy eo an-toerana. Vavolombelona 16 tao amin’ilay biraon’ny sampan’i Goatemalà teo aloha kosa no mandika boky sy gazety ho amin’ny fiteny efatra ampiasaina any. Noho io fiovana tany Amerika Afovoany io àry, dia lasa 75 sisa no miasa any amin’ny biraon’ny sampana any amin’iny faritra iny, raha 300 ny fitambaran’izy ireo teo aloha.

2. Afaka mitory bebe kokoa izy ireo

Afaka mifantoka amin’ny fitoriana ny vaovao tsara izao ireo mpitory za-draharaha nanompo tany amin’ireo sampana kely kokoa, noho ilay fanovana.

Hoy, ohatra, ny Vavolombelona iray any Afrika, izay notendrena hitory manontolo andro: “Tsy mora ny nampifanaraka ny fiainako tamin’ilay fiovana, nandritra ireo volana vitsivitsy voalohany. Faly sy nandray fitahiana be dia be anefa aho rehefa nitory isan’andro. Olona 20 izao no ampianariko Baiboly ary efa manatrika ny fivorian’ny fiangonana ny sasany amin’izy ireo.