Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mifankatia Tokoa ny Mpanatrika Fivoriambe Tany Francfort, any Alemaina

Mifankatia Tokoa ny Mpanatrika Fivoriambe Tany Francfort, any Alemaina

Hoy ny lohateny lehibe tao amin’ny gazety Frankfurter Rundschau: “Hoatran’ireny Fivoriam-pianakaviana Ireny.” Izany koa no tsapan’ireo nanatrika an’ilay fotoan-dehibe.

Hoy Karla, avy any Porto Rico: “Nataon-dry zareo izay tsy hampihafahafa ahy.”

Hoy koa i Sara, avy any Aostralia: “Hoatran’ireny hoe mitsidika ny fianakaviako any an-tany lavitra ireny ny fahatsapako ny tenako.”

Inona no nahatonga azy ireo hihetsi-po be hoatran’izany? Ny fivoriambe iraisam-pirenena nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny Commerzbank-Arena any Francfort-sur-le-Main, any Alemaina, tamin’ny 18 ka hatramin’ny 20 Jolay 2014. Efa ho 37 000 no nanatrika azy io.

Nivory tao izy ireo mba hianatra ny Baiboly. Nisy tantara ara-baiboly henoina, hira, vavaka, tantara an-tsehatra roa, ary lahateny velombelona miorina amin’ny Baiboly tamin’ilay fandaharana.

Vavolombelon’i Jehovah 3 000 mahery avy any Afrika Atsimo, Aostralia, Etazonia, Grande-Bretagne, Gresy, Liban, ary Serbia no niara-nanatrika an’io fivoriambe io tamin’ny Vavolombelona teo an-toerana. Tao koa ireo Vavolombelona 234 avy any amin’ny firenena 70. Manao endri-panompoana manokana izy ireo, ohatra hoe misionera.

Nisy ampahany tamin’ilay fandaharana nalefa mivantana tany amin’ny toerana 19 tao Alemaina, sy tany amin’ny toerana fanaovana fivoriambe any Aotrisy sy Soisa. Nisy 204 046 ny fitambaran’ny mpanatrika tany amin’ireo toerana ireo.

Samy hafa fiaviana sy fiteny nefa mifankatia

Natao tamin’ny teny alemà sy anglisy ary grika ilay fandaharana, tany Francfort. Nadika tamin’ny fiteny 17 kosa ireo lahateny, tany amin’ireo toerana hafa, anisan’izany ny fiteny arabo, sinoa, tamoul, tiorka, ary tenin’ny tanana roa.

Nifankatia be ireo Vavolombelona nanatrika tao na dia tsy mitovy aza ny toerana niaviany sy ny fiteniny ary ny kolontsainy. (Jaona 13:34, 35) Nifampitondra toy ny mpiray tam-po izy ireo.

Hoy i Tobias, avy any Grande-Bretagne: “Hitanay tsara mihitsy hoe tsy misy na inona na inona mahasakana antsika tsy hifankatia.”

Hoy koa i Davianna, avy any Porto Rico: “Nihaona tamin’ny Vavolombelona avy any amin’ny firenena 20 aho. Miray saina izahay satria samy tia an’Andriamanitra sady mifankatia.”

Hoy i Malcom, avy any Aostralia: “Tany amin’ny tanàna kely ambanivohitra aho no lasa Vavolombelon’i Jehovah. Efa novakiko tao amin’ny boky sy gazety hoe miavaka ny fifankatiavantsika Vavolombelona maneran-tany. Efa hitako tamin’ny video mihitsy aza izany. Izao izaho atỳ izao vao tena tsapako ilay izy. Nanatanjaka ny finoako ny nahatongavako tatỳ.”

Tia nandray vahiny

Nanomana fanomezana ho an’ny vahiny ireo Vavolombelona avy amin’ny fiangonana 58 tao Francfort sy ny manodidina, ary nikarakara fiaraha-mikorana mba hialana voly miaraka amin’ireo vahiny amin’ny takariva.

Hoy i Cynthia, avy any Etazonia: “Nahafinaritra be ny fandraisana. Tena be fitiavana sy tsara fanahy ary malala-tanana ny mpiara-manompo, ary tsy hadinoko mihitsy izany.”

Izao no tenin’i Simon, mipetraka any Alemaina: “Miara-mihomehy sy mifaly izahay ary tsapa hoe tena mifankatia. Betsaka ny azonao ianarana avy amin’ny olon-kafa.”

Izao no fanamarihan’i Amy, avy any Aostralia: “Hitako tamin’ilay fiaraha-mikorana takariva fa tsy mafana fo loatra amin’ny fivavahana sady tsy mampijaly tena be isika Vavolombelon’i Jehovah. Tena mahay miala voly isika, sady mety tsara ny hanaovantsika azy.”

Fahatsiarovana tena mamy

Natao tany amin’ny firenena sivy ilay fivoriambe iraisam-pirenena, tafiditra amin’izany ny tany Francfort.

Namaly toy izao ny olona iray nanatrika ilay fivoriambe tany Francfort, rehefa nanontaniana hoe nanao ahoana ilay izy: “Eritrereto hoe manana havana akaiky ianao, ohatra hoe rahalahinao, nefa tsy fantatrao ny fisiany. Rehefa mihaona ianareo, dia raisiny tsara ao an-tranony ianao sady tena tiany. Tsy hitanao izay hilazana ny hafalianao. Ampitomboy 37 000 izany fifalianao izany. Hoatr’izay no tsapako tany.”

Fanampim-panazavana

Iza moa ny Vavolombelon’i Jehovah?

Firy ny Vavolombelon’i Jehovah fantatrao? Ary inona no tena fantatrao momba anay?

Inona no Sitrapon’Andriamanitra?

Tian’i Jehovah hahalala ny sitrapony ny olona rehetra eran-tany. Inona izany sitrapony izany? Ary iza no mampahafantatra ny hafa ny momba izany?