Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ve ny Fampianarana Sasany Momba ny Famoronana?

Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ve ny Fampianarana Sasany Momba ny Famoronana?

Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa Andriamanitra no namorona ny zava-drehetra. Tsy inoanay kosa anefa ny fampianarana sasany momba ny famoronana, satria tsy mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly. Andeha isika handinika roa amin’izany.

  1. Ny halavan’ireo andro famoronana enina. Misy mino hoe naharitra 24 ora avy ny andro tsirairay, tamin’ireo andro famoronana enina. Mety hidika fotoana lava kokoa anefa ny teny hoe “andro” ao amin’ny Baiboly.—Genesisy 2:4; Salamo 90:4.

  2. Ny fotoana nisian’ny tany. Misy mino hoe vao an’arivony taona teo ho eo izay no nisian’ny tany. Milaza anefa ny Baiboly fa efa nisy ny tany sy ny lanitra, talohan’ireo andro famoronana enina. (Genesisy 1:1) Noho izany, dia tsy lavin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy ny filazan’ny mpahay siansa hoe efa an’arivony tapitrisa taona izay no nisian’ny tany.

Na mino aza ny Vavolombelon’i Jehovah hoe nisy namorona ny zava-drehetra, dia tsy mitsipaka ny zavatra resahin’ny mpahay siansa izahay. Mino izahay fa mifanaraka ny Baiboly sy ny siansa.

 

Fanampim-panazavana

Boky avy Amin’Andriamanitra ny Baiboly

Nahoana ny Baiboly no afaka manampy anao hiatrika olana? Nahoana no azonao itokisana ny faminaniana ao?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Famoronana?

Milaza ny Baiboly fa enina “andro” ny famoronana. Naharitra 24 ora avy ve ireo andro ireo?

Mifanaraka Amin’ny Siansa ve ny Baiboly?

Misy zavatra tsy mifanaraka amin’ny siansa ve ao amin’ny Baiboly?