Hijery ny anatiny

Maninona no tsy hoe Fiangonana no Iantsoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Toerana Ivavahan’izy Ireo?

Maninona no tsy hoe Fiangonana no Iantsoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Toerana Ivavahan’izy Ireo?

 Raha jerena ny teny grika nadika hoe “fiangonana” ao amin’ny Baiboly, dia tsy ilay trano no tiana holazaina fa ny olona miara-mivavaka ao.

 Rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina tany Roma, ohatra, ny apostoly Paoly dia nanao mampamangy an’ilay mpivady atao hoe Akoila sy Prisila. Hoy koa izy: “Veloma amin’ny fiangonana izay ao [an-tranon’izy ireo].” (Romanina 16:5, Fandikan-teny Protestanta) Tsy ho ilay trano mihitsy no nataon’i Paoly veloma, fa tsy maintsy hoe ireo olona niara-nivavaka tao. a

 Tsy antsoinay hoe fiangonana àry ny toerana fivavahanay, fa hoe “Efitrano Fanjakana.”

Fa maninona no hoe “Efitrano Fanjakan’Andriamanitra”?

 Ireto avy ny antony:

  •   Efitrano na trano tsotra no ivorianay.

  •   Ao izahay no mivavaka amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra nanome ny Baiboly. Tsy vitan’izay fa vavolombelony izahay, ka miresaka momba azy koa rehefa ao.—Salamo 83:18; Isaia 43:12.

  •   Ao izahay no mianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra izay notorin’i Jesosy foana.—Matio 6:9, 10; 24:14; Lioka 4:43.

 Manasa anao àry izahay mba hitsidika ny Efitrano Fanjakana akaiky anao. Ianao mihitsy amin’izay no hahita hoe hoatran’ny ahoana ny fivoriana ataonay ao.

a Mbola misy ohatra hafa manamarina izany ao amin’ny 1 Korintianina 16:19 sy Kolosianina 4:15 ary Filemona 2.