Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Sekta ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Sekta ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsia. Tsy sekta ny Vavolombelon’i Jehovah. Kristianina kosa izahay, ka miezaka manahaka ny modely nomen’i Jesosy Kristy ary manaraka ny fampianarany.

Inona no atao hoe sekta?

Tsy mitovy ny fomba amaritan’ny olona an’io teny io. Andeha isika handinika famaritana roa, sady hijery hoe nahoana ilay izy no tsy mihatra aminay.

  • Misy milaza fa fivavahana vaovao no atao hoe sekta. Tsy namorona fivavahana vaovao anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny fivavahana narahin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany kosa no alainay tahaka, ary voaresaka ao amin’ny Baiboly ny ohatra navelan’izy ireo sy ny fampianarany. (2 Timoty 3:16, 17) Mino izahay fa ny Soratra Masina ihany no afaka mamaritra izay fivavahana marina.

  • Misy indray milaza fa fivavahana mampidi-doza ny sekta, ary olona no mitarika azy. Tsy olombelona no mitarika ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy mantsy i Jesosy momba ny mpanara-dia azy: “Iray ny Mpitarika anareo, dia i Kristy.” Izany no arahinay.—Matio 23:10.

Tsy fivavahana mampidi-doza mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Mandray soa avy amin’izy io kosa ny mpivavaka ao aminy sy ny fiaraha-monina. Noho ny fanompoana ataonay, ohatra, dia olona maro no afaka tamin’ny fahazaran-dratsy ka lasa tsy nidoroka zava-mahadomelina sy tsy niboboka toaka intsony. Mampianatra mamaky teny sy manoratra koa izahay, ka olona an’arivony no mandray soa amin’izany eran-tany. Mazoto manampy ny tra-boina koa izahay rehefa misy loza. Miezaka mafy izahay mba hisy vokany tsara amin’ny hafa ny fitondran-tenanay sy ny zavatra ataonay, araka ny tenin’i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy.—Matio 5:13-16.

 

Fanampim-panazavana

Ahoana no Ahafantaranao hoe Iza no Fivavahana Marina?

Iray ihany ve ny fivavahana marina? Jereo ato ireo zavatra dimy amantarana ny fivavahana marina.