Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Mitety Trano?

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Mitety Trano?

Nirahin’i Jesosy ny mpanara-dia azy mba hanao “mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.” (Matio 28:19, 20) Nasain’i Jesosy nankany an-tranon’ny olona ireo mpianany voalohandohany rehefa nirahiny. (Matio 10:7, 11-13) Nanohy nitory “ampahibemaso sy isan-trano” ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 5:42; 20:20) Manahaka an’ireo Kristianina voalohany ireo izahay ary hitanay fa fomba tsara hahitana olona ny fitoriana isan-trano.

Fanampim-panazavana

NY TILIKAMBO FIAMBENANA

Afaka Mahalala an’Andriamanitra Daholo ve ny Olona?

Jereo izay ataon’Andriamanitra mba hahafahan’ny olona tso-po rehetra mahalala azy.

FANONTANIANA FAMETRAKY NY OLONA

Video: Asa Fitoriana Maneran-tany Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah

Jereo hoe nahoana ilay asa fitoriana no atao amin’ny fiteny an-jatony sy andaniana ora an’arivony tapitrisa.