Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Marina Tsara ve ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao?

Marina Tsara ve ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao?

Tamin’ny 1950 no navoaka ny ampahany voalohany amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. * Hatramin’ny namoahana azy io, dia misy olona milaza fa tsy marina ny zavatra sasany voalaza ao. Misy kosa ireo mbola misalasala. Tsy mitovy amin’ny ao amin’ny fandikan-teny hafa mantsy ny zavatra sasany ao. Nahoana? Ny iray amin’ireto antony ireto matetika no mahatonga izany:

  • Azo itokisana. Ny vokatry ny fikarohana farany nataon’ny manam-pahaizana sy izay azo antoka indrindra amin’ireo sora-tanana tranainy no nampiasaina hanaovana ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Tsy tena marina tsara kosa sady vao haingana kokoa ny ankamaroan’ny sora-tanana nampiasaina mba hanaovana ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques (anglisy), nivoaka tamin’ny 1611.

  • Tsy nisy novana. Niezaka mafy nampita an’izay nasain’Andriamanitra nosoratana tao amin’ny Baiboly ireo namoaka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. (2 Timoty 3:16) Nosoloana fampianaran’olombelona kosa ny hafatr’Andriamanitra, ao amin’ny fandikan-teny maro. Novana ho anaram-boninahitra toy ny hoe Tompo na Andriamanitra, ohatra, ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah.

  • Ara-bakiteny. Misy fandikan-teny sasany mamintimpintina fotsiny ny hevitry ny Baiboly tany am-boalohany. Tsy toy izany kosa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Nadika ara-bakiteny izy io, raha mbola tsy lasa hafahafa ilay fehezanteny ary raha mbola tsy very ny hevitra tany am-boalohany. Mety hampiditra hevitr’olombelona na hanala tsipiriany tena ilaina mantsy ny mpandika teny, raha mamintimpintina fotsiny an’izay voalazan’ny Baiboly tany am-boalohany.

Inona no tsy mampitovy azy io amin’ny fandikan-teny hafa?

Misy boky tsy nampidirina tao. Misy boky antsoina hoe Apokrifa ao amin’ny Baiboly navoakan’ny Eglizy Katolika sy ny Eglizy Ortodoksa. Tsy neken’ny Jiosy fahiny ho anisan’ny Soratra Masina ireny boky ireny. Ny Jiosy anefa no lazain’ny Baiboly hoe “nanankinana ny fanambarana masin’Andriamanitra.” (Romanina 3:1, 2) Mety àry raha tsy nasiana an’ireo boky ireo ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao sy ao amin’ny fandikan-teny maoderina maro.

Misy andininy tsy nampidirina tao. Misy andinin-teny na fehezanteny nampidirina tao amin’ny fandikan-teny sasany, nefa tsy hita ao amin’ireo Baiboly sora-tanana tranainy indrindra. Tsy nampidirina tao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ireny andinin-teny sy fehezanteny ireny. Tsy hita ao amin’ny fandikan-teny maro hafa koa izy ireny, na nampidirina tao ihany saingy nampiana fanamarihana hoe tsy misy loharanon-kevitra azo antoka manamarina azy ireny. *

Tsy mitovy ny fomba filazana zavatra. Tsy mazava ny fandikan-teny ara-bakiteny indraindray, na mety hanana heviny diso. Matetika, ohatra, ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 5:3 no adika hoe: “Sambatra ny mahantra am-panahy” na “Sambatra ny malahelo am-panahy.” (Fandikan-teny Katolika; Fandikan-teny Protestanta) Tsy azon’ny olona maro anefa ny hoe “mahantra am-panahy” na “malahelo am-panahy.” Misy indray mihevitra fa tian’i Jesosy hasongadina hoe tokony hanetry tena na hahantra isika. Te hilaza anefa i Jesosy tamin’izay fa tena sambatra ny olona iray rehefa mahatsapa fa mila ny tari-dalan’Andriamanitra. Mamoaka tsara an’io hevitra io ny fomba ilazana an’ilay izy ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Voalaza ao hoe: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”—Matio 5:3.

Misy manam-pahaizana tsy Vavolombelon’i Jehovah mankasitraka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

  • Mpandika Baiboly sady manam-pahaizana momba ny Baiboly i Edgar Goodspeed. Izao no nosoratany tamin’ny 8 Desambra 1950, momba Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao: ‘Mahaliana ahy ny asa misionera ataonareo sy ny fitaran’izy io eran-tany. Tena tiako koa ilay Baiboly navoakanareo. Tsy nadika ara-bakiteny be fotsiny ilay izy fa natao mazava tsara sady hita hoe misy heriny. Hita hoe nandinika tsara sy nikaroka ireo nandika an’ilay izy, ary afaka manaporofo an’izany aho.’

    Edgar Goodspeed

  • Manam-pahaizana ao amin’ny Oniversiten’i Chicago i Allen Wikgren. Nilaza izy fa mampiasa ny fiteny fampiasa ankehitriny ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, nefa tsy maka tahaka ny fandikan-teny hafa, fa manaraka ny Soratra Masina tany am-boalohany.—Baibolin’ny Mpanazava Teny (anglisy), Boky I, pejy 99.

  • Manam-pahaizana anglisy sady mpitsikera Baiboly i Alexander Thomson. Hoy izy momba Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao: “Hita hoe asan’ny manam-pahaizana kinga sy marani-tsaina izy io. Niezaka araka izay azo atao izy ireo namoaka tamin’ny teny anglisy ny tena hevitry ny teny grika.”— Mpampitaha (anglisy), Aprily 1952, pejy 52.

  • Nisy fomba fiteny tsy dia mahazatra voamarik’i Charles Potter, mpanoratra, tao amin’ilay fandikan-teny. Niaiky anefa izy hoe: “Tena marani-tsaina sy nandinika tsara ireo mpandika Baiboly tsy nitonona anarana ireo, rehefa nandika an’ireo sora-tanana hebreo sy grika tsara indrindra.”—Ny Fivavahana Arahin’ny Olona (anglisy), pejy 300.

  • Nanoratra tatitra momba ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao i Robert McCoy. Nolazainy fa nisy zavatra hafahafa hitany tao, nefa nisy zavatra tena nahatsara azy io koa. Izao no teny famaranany: “Rehefa jerena ny fomba nandikana ny Testamenta Vaovao, dia hita fa misy manam-pahaizana ao [amin’ny Vavolombelon’i Jehovah]. Hain’izy ireo ny mamaha an’ireo olana maro fahita rehefa mandika Baiboly.”—Gazetin’i Andover Newton (anglisy), Janoary 1963, pejy 31.

  • Tsy manaiky ny fomba nandikana ny andinin-teny sasany ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ilay manam-pahaizana atao hoe MacLean Gilmour. Niaiky anefa izy fa ‘mahavariana ny fahaizan’ireo mpandika teny ny teny grika.’—Gazetin’i Andover Newton (anglisy), Septambra 1966, pejy 26.

  • Nanao tatitra momba ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ilay manam-pahaizana atao hoe Thomas Winter, ao amin’ny Soratra Grika—Fandikan-teny Isan’andalan’ilay Fanjakana (anglisy). Hoy izy: ‘Mifanaraka amin’ny voka-pikarohana farany sy mampiasa teny fampiasa ankehitriny ilay fandikan-teny nataon’ilay komity, izay tsy nitonona anarana.’—Gazety Klasika (anglisy), Aprily-Mey 1974, pejy 376.

  • Manam-pahaizana momba ny teny hebreo mipetraka any Israely i Benjamin Kedar. Hoy izy tamin’ny 1989: ‘Manao fikarohana momba ny fiteny aho, ary misy ifandraisany amin’ny Baiboly hebreo sy ny fandikan-teny ilay izy. Matetika aho no mampiasa an’ilay Baiboly anglisy hoe Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Imbetsaka aho no nahita fa niezaka araka izay azo atao ireo mpandika teny, mba hahatakatra ny tena hevitr’izay voasoratra.’

  • Nandinika an’ireo Baiboly anglisy sivy be mpampiasa indrindra i Jason BeDuhn, mpampianatra momba ny fivavahana. Nanatsoaka hevitra izy fa “ny TV [Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao] no marina indrindra amin’ireo fandikan-teny nampitahainy.” Mihevitra ny ankamaroan’ny olona sy ny manam-pahaizana maro fa nanindrahindra ny fivavahany ireo nandika ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, ka izay no nahatonga azy io tsy hitovy amin’ny fandikan-teny hafa. Hoy anefa i BeDuhn: ‘Marina kokoa ny TV satria nadika ara-bakiteny sy tamim-pitandremana tsara ny teny nosoratan’ireo mpanoratra ny Testamenta Vaovao tany am-boalohany, ary izany no tena mahasamy hafa azy io amin’ny fandikan-teny hafa.’—Ny Marina Momba ny Fandikan-teny (anglisy), pejy 163, 165.

^ feh. 2 Ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao anglisy talohan’ilay nohavaozina tamin’ny 2013 no tiana horesahina ato. Nadika avy tamin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny anglisy ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao malagasy. Nojerena koa anefa ny teny nanoratana ny Baiboly tany am-boalohany, mba ho azo antoka fa marina tsara ilay fandikan-teny.

^ feh. 8 Jereo, ohatra, ireto andinin-teny ao amin’ny Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara ireto: Matio 17:21; 18:11; 23:14; Marka 7:16; 9:44, 46; 11:26; 15:28; Lioka 17:36; 23:17; Jaona 5:4; Asan’ny Apostoly 8:37; 15:34; 24:7; 28:29; ary Romanina 16:24. Misy fehezanteny manohana ny fisian’ny Andriamanitra telo izay iray koa ao amin’ny 1 Jaona 5:7, 8 ao amin’ny Fandikan-teny Katolika. Efa an-jatony taona maro taorian’ny nanoratana ny Baiboly angamba izy io no nampiana.

Fanampim-panazavana

Nahoana Izahay no Namoaka Baiboly?

Inona no mampiavaka ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao?