Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Firy ny Isan’ny Vavolombelon’i Jehovah Eran-tany?

Firy ny Isan’ny Vavolombelon’i Jehovah Eran-tany?

Tatitra Momba ny Taom-panompoana * 2016

Isan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany

8 340 982

Fiangonana

119 485

Tany itorian’ny Vavolombelon’i Jehovah

240

Ahoana ny fomba anisanareo ny mpino ao aminareo?

Ireo mitory ny vaovao tsara isam-bolana ihany no isainay ho anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah. (Matio 24:14) Efa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa ny sasany amin’izy ireo, fa misy kosa mbola tsy vita batisa nefa efa mahafeno fepetra hitory.

Misy vola tsy maintsy aloa ve vao lasa Vavolombelon’i Jehovah ny olona iray?

Tsia. Tsy miankina amin’ny fanomezana ataon’ny olona iray no anekena azy ho Vavolombelona, na anomezana azy andraikitra na tombontsoam-panompoana ao amin’ny fivavahanay. (Asan’ny Apostoly 8:18-20) Tsy mitonona anarana ny ankamaroan’ny olona manao fanomezana. Manome ny fotoanany sy ny heriny ary ny volany koa ny Vavolombelona tsirairay mba hanohanana ny asa ataonay maneran-tany. Ataony an-tsitrapo izany, arakaraka izay vitany.—2 Korintianina 9:7.

Ahoana no ahalalanareo ny isan’ny mpitory ao aminareo?

Manao tatitra momba ny asa fitoriana nataony any amin’ny fiangonana misy azy ny Vavolombelona rehetra, isam-bolana. An-tsitrapo no anaovany an’izany.

Atambatra ny tatitra voarain’ny fiangonana, ary alefa any amin’ny biraon’ny sampana eo an-toerana. Atambatry ny sampana tsirairay ny tatitry ny fiangonana rehetra ao amin’ny firenena na faritany iandraiketany, ary avy eo alefany any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Isaky ny tapitra ny taom-panompoana, * dia jerena hoe firy ny tampon’isan’ny Vavolombelona any amin’ny tany tsirairay tamin’iny taona iny. Atambatra izany avy eo mba hahitana ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Misy tatitra amin’ny an-tsipiriany momba ny tany tsirairay ao amin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy fitantarana momba ny asa fitoriana koa ao amin’io boky io. Mampahery anay ireny tatitra ireny, toy izay nitranga tamin’ireo Kristianina voalohany ihany.—Asan’ny Apostoly 2:41; 4:4; 15:3.

Isainareo ho anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ve ireo olona miara-mivory aminareo fotsiny?

Tsia. Raisinay tsara foana anefa izy ireny rehefa tonga mivory miaraka aminay. Tonga manatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy koa ny ankamaroany. Fantapantatra ihany àry hoe firy izy ireny, rehefa ampifanalana amin’ny isan’ireo manatrika an’io fivoriana io ny isan’ny Vavolombelona. Nisy 20 085 142 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 2016.

Maro koa ny olona ampianarinay Baiboly maimaim-poana, na dia mbola tsy manatrika ny fivorianay aza. Nitarika fampianarana Baiboly 10 115 264 isam-bolana izahay, tamin’ny 2016. Tsara homarihina fa na olona maromaro aza no miara-mianatra, dia isainay ho fampianarana Baiboly iray ihany izany.

Nahoana no betsaka kokoa ny isanareo any amin’ny fanjakana, raha mitaha amin’ny isa omenareo?

Matetika ny biraom-panjakana momba ny fanisam-bahoaka no manontany hoe inona ny fivavahan’ny olona iray, dia arakaraka ny valin-teny azony no amaritany ny isan’ny olona ao amin’ilay fivavahana. Milaza, ohatra, ny Birao Momba ny Fanisam-bahoaka any Etazonia fa rehefa manao ny asany izy ireo dia “iezahany fantarina raha mihevitra ny tenany ho mpivavaka ao amin’ny fivavahana iray” ilay olona na tsia. Nilaza àry izy ireo fa “tsy voatery hitombina” ny antontan’isa voangony. Izahay kosa rehefa manisa, dia ireo mitory sy mamerina tatitra ihany no isainay ho anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy izay rehetra milaza ny tenany ho Vavolombelona.

^ feh. 2 Manomboka ny 1 Septambra ka hatramin’ny 31 Aogositra amin’ny taona manaraka ny taom-panompoana iray. Ny taom-panompoana 2015, ohatra, dia manomboka ny 1 Septambra 2014 ka hatramin’ny 31 Aogositra 2015.

^ feh. 16 Manomboka ny 1 Septambra ka hatramin’ny 31 Aogositra amin’ny taona manaraka ny taom-panompoana iray. Ny taom-panompoana 2015, ohatra, dia manomboka ny 1 Septambra 2014 ka hatramin’ny 31 Aogositra 2015.

Fanampim-panazavana

FANONTANIANA FAMETRAKY NY OLONA

Inona ny Zavatra Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Hiresaka fohifohy momba ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah io lahatsoratra io.

IZA NO TENA MANAO NY SITRAPON’I JEHOVAH?

Ahoana no Andaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Asa Fitoriany?

Manahaka an’i Jesosy izahay rehefa mitory. Ahoana no nataony?

FANONTANIANA FAMETRAKY NY OLONA

Ahoana no Andaminana ny Fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Jereo hoe ahoana no ahazoanay toromarika avy amin’io fandaminana io.