Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Misy Filma na Hira na Boky ve Tsy Avelan’ny Vavolombelon’i Jehovah Hojeren’ny Mpivavaka ao Aminy?

Misy Filma na Hira na Boky ve Tsy Avelan’ny Vavolombelon’i Jehovah Hojeren’ny Mpivavaka ao Aminy?

Tsia. Tsy mandinika filma na boky na hira izahay, mba hahitana hoe iza avy no tsy azon’ny mpivavaka ao aminay jerena. Nahoana?

Samy manana “fahaiza-misaina” ny tsirairay ka izy ihany no tokony hanavaka izay tsara sy ratsy, araka ny Baiboly.—Hebreo 5:14.

Misy toro lalana ao amin’ny Baiboly manampy ny Kristianina hifidy an’izay fialam-boly mety. * Miezaka ‘mamantatra tsara foana izay ankasitrahan’ny Tompo’ izahay, na inona na inona ataonay.—Efesianina 5:10.

Milaza ny Baiboly fa azon’ny loham-pianakaviana atao ny mandrara an’izay ao an-tranony, mba tsy hanao fialam-boly sasany. (1 Korintianina 11:3; Efesianina 6:1-4) Ao anatin’ny fianakaviana ihany anefa izany no mihatra, fa ankoatra izay dia tsy misy na iza na iza afaka miteny amin’ny mpiara-mivavaka aminy hoe tsy azonao jerena ity filma na hira na boky ity.—Galatianina 6:5.

^ feh. 4 Raran’ny Baiboly, ohatra, ny herisetra, ny resaka herin’ny maizina, ary ny fijangajangana.—Deoteronomia 18:10-13; Efesianina 5:3; Kolosianina 3:8.

 

Fanampim-panazavana

Ahoana no Hahaizako Mifidy Fialam-boly?

Inona avy no tokony hodinihina rehefa mifidy ny mozika hohenoina sy ny filma hojerena ary ny boky hovakina?