Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Nahoana no Tsy Mitovy Amin’ny An’ny Fivavahana Hafa ny Fomba Ankalazan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

Nahoana no Tsy Mitovy Amin’ny An’ny Fivavahana Hafa ny Fomba Ankalazan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

Antsoina koa hoe “Fanasan’ny Tompo” na Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy ilay hoe Sakafo Harivan’ny Tompo. (1 Korintianina 11:20; Fandikan-teny Protestanta) Izay lazain’ny Baiboly ihany no arahinay Vavolombelon’i Jehovah rehefa mankalaza azy io izahay. Tsy avy ao amin’ny Baiboly kosa ny zavatra sasany ataon’ny fivavahana hafa mandritra an’io fankalazana io sy ny zavatra inoany momba azy io.

Nahoana isika no tokony hankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

Natao hahatsiarovana an’i Jesosy ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Tokony hankasitraka azy mantsy isika satria nanao sorona ny ainy ho antsika izy. (Matio 20:28; 1 Korintianina 11:24) Tsy sakramenta anefa ny Sakafo Harivan’ny Tompo, izany hoe fombafomba atao mba hahazoana fahasoavana avy amin’Andriamanitra na famelan-keloka. * Resahin’ny Baiboly hoe izay olona mino an’i Jesosy no ho voavela heloka, fa tsy izay manao fombafomba.—Romanina 3:25; 1 Jaona 2:1, 2.

Impiry no tokony hankalazaina ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

Nandidy ny mpianany hankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo i Jesosy, nefa tsy niteny hoe isaky ny inona izy ireo no tokony hanao izany. (Lioka 22:19) Misy mihevitra hoe tokony ho isam-bolana izy io no hankalazaina. Ny hafa indray miteny hoe isan-kerinandro na isan’andro. Misy koa miteny hoe imbetsaka isan’andro na imbetsaka araka izay azo atao. Impiry àry no tokony ho izy? Diniho izao:

Tamin’ny daty nankalazana ny Paska Jiosy i Jesosy no nanao ny Sakafo Harivan’ny Tompo voalohany, ary tamin’io andro io izy no novonoina. (Matio 26:1, 2) Tsy kisendrasendra fotsiny izany. Milaza ny Soratra Masina hoe mitovy amin’i Jesosy natao sorona ilay zanak’ondry novonoina tamin’ny Paska. (1 Korintianina 5:7, 8) Indray mandeha isan-taona no nankalazaina ny Paska. (Eksodosy 12:1-6; Levitikosy 23:5) Izany no narahin’ireo Kristianina voalohany, ka indray mandeha isan-taona izy ireo no nankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. * Mbola izany ihany no arahin’ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izao.

Ary ahoana ny daty sy ny fotoana ankalazana azy?

Azo fantarina koa ve ny daty sy ny fotoana anaovana an’ilay fankalazana, rehefa jerena izay nataon’i Jesosy? Tamin’ny 14 Nisana taona 33, taorian’ny filentehan’ny masoandro, i Jesosy no nankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo, rehefa jerena ny kalandrie fampiasan’ny Jiosy tamin’izany. (Matio 26:18-20, 26) Isaky ny 14 Nisana koa àry izahay no mankalaza azy io. Izany no fanaon’ny Kristianina voalohany, ka izany no arahinay. *

Marina fa zoma ny 14 Nisana taona 33, nefa tsy voatery ho zoma foana ny 14 Nisana isan-taona fa mety ho andro hafa. Ahoana àry no ahalalanay hoe inona no daty mifanitsy amin’ny 14 Nisana? Tsy mampiasa ny kalandrie jiosy maoderina izahay, fa mampiasa ny kalandrie fampiasa tamin’ny andron’i Jesosy. *

Inona ny mofo sy divay ampiasaina amin’ilay izy?

Ambina mofo tsy misy lalivay sy divay mena tamin’ny sakafon’ny Paska no nampiasain’i Jesosy. (Matio 26:26-28) Mofo tsy nasiana lalivay na fangarony hafa àry no ampiasainay. Mampiasa divay mena tsotra koa izahay, fa tsy ranom-boaloboka na divay nampiana siramamy na zavamanitra, na nafangaro toaka.

Misy fivavahana manisy lalivay na leviora amin’ilay mofo. Matetika anefa no midika hoe ota sy faharatsiana ny lalivay, ao amin’ny Baiboly. (Lioka 12:1; 1 Korintianina 5:6-8; Galatianina 5:7-9) Tsy tokony hasiana lalivay na fangarony hafa àry ilay mofo, satria lasa tsy mitovy amin’ilay vatan’i Kristy tsy nisy ota. (1 Petera 2:22) Ranom-boaloboka koa no ampiasain’ny fivavahana sasany fa tsy divay. Mihevitra mantsy izy ireo fa tsy azo atao ny misotro zava-pisotro misy alkaola. Diso anefa izany, rehefa jerena ny Baiboly.—1 Timoty 5:23.

Miova ho vatana sy ran’i Kristy ve ilay mofo sy divay?

Nampitahain’i Jesosy tamin’ilay mofo ny vatany, ary tamin’ilay divay ny rany. Nampiasainy hanaovana fampitahana fotsiny ilay mofo sy divay. Tsy marina àry ilay hoe miova ho tena vatany na tena rany ilay mofo sy divay, sy ilay hoe lasa mifangaro amin’ny vatany sy ny rany. Nahoana? Ireto misy porofo avy ao amin’ny Baiboly:

  • Raran’Andriamanitra ny mihinana ra. Toy ny hoe nampirisika ny mpianany handika an’izany i Jesosy, raha nandidy azy ireo hisotro ny rany. (Genesisy 9:4; Asan’ny Apostoly 15:28, 29) Fantatr’i Jesosy fa masina ny ra. Tsy izy mihitsy àry no hampirisika olona handika ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra.—Jaona 8:28, 29.

  • Raha efa avy nosotroin’ny apostolin’i Jesosy tamin’ilay Sakafo Harivan’ny Tompo koa ny rany, dia tsy ho niteny mihitsy izy hoe mbola “halatsaka” ilay izy, izany hoe mbola vao halatsaka ho sorona aoriana kelin’izay.—Matio 26:28.

  • “Indray mandeha monja” koa i Jesosy no nanao sorona ny ainy. (Hebreo 9:25, 26) Lasa toy ny hoe averimberina foana àry ilay sorona nataony raha miova ho tena vatany sy rany tokoa ilay mofo sy divay, isaky ny Sakafo Harivan’ny Tompo.

  • Nilaza koa i Jesosy hoe: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy”, fa tsy hoe “ho fanaovana sorona ahy.”—1 Korintianina 11:24.

Nahoana no misy mino hoe tena miova ho vatana sy ran’i Jesosy tokoa ilay mofo sy divay? Ny teny ampiasain’ny Baiboly sasany no mahatonga an’izany. Maro, ohatra, ny Baiboly mandika toy izao an’ilay tenin’i Jesosy momba ny divay: “Ity no rako.” Azo adika toy izao koa anefa io: “Midika ho rako ity.” (Matio 26:28, fanamarihana ambany pejy) * Nampiasa teny an’ohatra i Jesosy teo, toy ny efa fanaony.—Matio 13:34, 35.

Iza no tokony hihinana amin’ilay mofo sy divay?

Vitsivitsy ihany no mihinana amin’ilay mofo sy divay, rehefa mankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana?

Lasa nisy ilay antsoina hoe “fifanekena vaovao”, noho ny ra nalatsak’i Jesosy. Io fifanekena io no solon’ilay fifanekena nifanaovan’i Jehovah Andriamanitra sy ny firenen’Israely fahiny. (Hebreo 8:10-13) Izay tafiditra ao amin’io fifanekena vaovao io ihany no mihinana amin’ny mofo sy divay rehefa Sakafo Harivan’ny Tompo. Tsy ny Kristianina rehetra izany, fa ireo nantsoin’Andriamanitra ho any an-danitra ihany. (Hebreo 9:15; Lioka 22:20) Hiara-manjaka amin’i Kristy izy ireo any. Resahin’ny Baiboly hoe 144 000 monja ny olona mahazo an’io fitahiana io.—Lioka 22:28-30; Apokalypsy 5:9, 10; 14:1, 3.

Antsoina hoe “ondry vitsy” ireo olona hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra ireo. Antsoina hoe “vahoaka be” kosa izay olona manantena hiaina mandrakizay eto an-tany. Manantena hiaina mandrakizay eto ny ankamaroanay. (Lioka 12:32; Apokalypsy 7:9, 10) Miara-mankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo amin’ny “ondry vitsy” ny “vahoaka be”, na dia tsy mihinana amin’ny mofo sy ny divay aza. Te hankasitraka an’Andriamanitra mantsy izy ireo, noho izy nanome an’i Jesosy ho sorona ho antsika.—1 Jaona 2:2.

^ feh. 4 Hoy ny Cyclopedia nataon’i McClintock sy Strong, ao amin’ny Boky IX, pejy 212: “Tsy hita ao amin’ny T[estamenta] V[aovao] ilay teny hoe sakramenta. Tsy midika hoe batisa na fanasan’ny Tompo na fankalazana hafa koa ilay teny grika hoe μυστήριον [mysteriôn].”

^ feh. 7 Jereo ny The New Schaff-Herzog Encyclopedia of Religious Knowledge, Boky IV, pejy 43-44, sy ny Cyclopedia nataon’i McClintock sy Strong, Boky VIII, pejy 836.

^ feh. 9 Jereo ny The New Cambridge History of the Bible, Boky 1, pejy 841.

^ feh. 10 Raha ny kalandrie jiosy maoderina no jerena, dia manomboka ny volana Nisana rehefa manomboka tazan’ny astronoma ny tsinam-bolana. Raha ny kalandrie jiosy tamin’ny taonjato voalohany kosa no jerena, dia manomboka ny volana Nisana rehefa manomboka tazana any Jerosalema ny tsinam-bolana, izany hoe iray andro na iray andro mahery aorian’ilay fotoana ahatazanan’ny astronoma ny tsinam-bolana. Ny kalandrie jiosy fahiny no arahinay Vavolombelon’i Jehovah, ka matetika no tsy mitovy amin’ny daty ankalazan’ny Jiosy amin’izao fotoana izao ny Paska ny daty ankalazanay ny Sakafo Harivan’ny Tompo.

^ feh. 20 Jereo ny A New Translation of the Bible, nataon’i James Moffatt sy ny The New Testament—A Translation in the Language of the People, nataon’i Charles Williams ary ny The Original New Testament, nataon’i Hugh Schonfield.

Fanampim-panazavana

NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA

“Ho Fahatsiarovana ho Anareo” Izany

Inona no tokony ho fantatry ny Kristianina momba ny Paska? Midika ho inona ho antsika ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY

Nahoana ny Soron’i Jesosy no Lazaina fa “Avotra Hisolo ny Maro”?

Nahoana no manafaka amin’ny ota ny avotra na vidim-panavotana?