Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manao Asa Misionera ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Manao Asa Misionera ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Eny. Miezaka hanana ny toe-tsain’ny misionera ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra, na aiza na aiza misy azy. Miezaka foana izahay hiresaka ny zavatra inoanay amin’izay olona hitanay.—Matio 28:19, 20.

Misy Vavolombelon’i Jehovah mandeha mipetraka vetivety any amin’ny faritra hafa ao amin’ny taniny, na mifindra any mihitsy. Nahoana? Mba hitory amin’izay mbola tsy nandre ny vaovao tsara ao amin’ny Baiboly. Misy koa mifindra any an-tany hafa mba hitory amin’ny olona maro kokoa. Faly izy ireo manatanteraka an’ilay faminanian’i Jesosy hoe: ‘Ho vavolombeloko any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.’—Asan’ny Apostoly 1:8.

Nanangana sekoly manokana izahay tamin’ny 1943 mba hampiofanana misionera. Sekoly Ara-baibolin’i Gileada no anaran’izy io, ary 8 000 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah efa niofana tamin’izy io.

 

Fanampim-panazavana

Hatrany Amin’ny Faran’ny Tany

Ny asa fitoriana no tena asongadin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada. Ankafizo ny tantaran’ireo misionera nanatrika an’io sekoly miavaka io.

Sekolin’i Gileada: Feno Fitopolo Taona Sahady

Nisy sekoly fampiofanana natomboka tany New York tamin’ny 1 Febroary 1943. Nampiofana mpitory an’arivony mba hampianatra momba an’Andriamanitra ilay sekoly.

Fizarana Diplaoman’ny Kilasy Faha-134 Amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada

Fizarana diplaoman’ny kilasy faha-134 amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada tamin’ny 9 Martsa 2013. Inona avy no vokatra azo noho io sekoly io, nandritra izay 70 taona nisiany izay?