Malagasy
Nahoana no Ampiasaina Ilay Anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah?
https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/502012468/univ/art/502012468_univ_sqr_xl.jpg
ijwfq lahatsoratra 5

Avy Aiza Ilay Anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah?

Avy Aiza Ilay Anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah?

 Jehovah no anaran’Andriamanitra, araka ny Baiboly. (Eksodosy 6:3; Salamo 83:18) Milaza ny zava-marina maharesy lahatra azy ny olona mijoro ho vavolombelona.

 Vavolombelon’i Jehovah àry izahay satria milaza ny marina momba an’i Jehovah, ilay Mpamorona ny zava-drehetra. (Apokalypsy 4:11) Asehonay amin’ny alalan’ny fitondran-tenanay ny zavatra nianaranay avy tao amin’ny Baiboly, sady resahinay amin’ny hafa.—Isaia 43:10-12; 1 Petera 2:12