Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Fanazavana Momba ny Birao sy ny Fitsidihana

Asainay ianao hitsidika ny biraonay sy ny fanaovanay pirinty. Jereo ny toerana sy ny fotoana azo anaovana izany.

 

Frantsa

Famandrihana Fitsidihana

Tokony hanao famandrihana ve ianao alohan’ny hahatongavanao mitsidika? Eny. Tianay raha manao famandrihana mialoha daholo izay te hitsidika, na firy na firy izy ireo. Tsy ho be loatra, amin’izay, ny mpitsidika sady ho azo antoka hoe hankafy an’ilay fitsidihana ny rehetra. Ataovy herinandro mialoha, fara fahakeliny, ny famandrihanao. Tokony hatao aloha be ny famandrihana raha andro fety ilay andro tianareo hitsidihana.

Mbola afaka mitsidika ve ianao raha tsy nanao famandrihana? Raha tsy nanao famandrihana ianao, dia mety tsy ho afaka handray anao izahay. Voafetra mantsy ny isan’ny olona afaka mitsidika isan’andro.

Amin’ny firy ianao no tokony ho tonga? Tsara kokoa raha tsy tonga alohan’ny adiny iray mialoha an’ilay fitsidihana ianao, mba tsy ho be loatra ny olona mifamezivezy.

Ahoana no hanaovana famandrihana? Tsindrio ilay hoe “Hanao Famandrihana.”

Azo ovana na foanana ve ny famandrihana? Eny. Tsindrio ilay hoe “Hijery na Hanova Famandrihana.”

Ahoana raha efa feno ilay daty tena tianao hitsidihana? Tsidiho matetitetika ilay tranonkala. Mety halalaka ihany ilay fotoana rehefa misy olona manova na manafoana ny famandrihana nataony.

Fitsidihana

2 rue Saint-Hildevert

27400 LOUVIERS

FRANCE

+33 2-32-25-55-55

Mampiavaka azy

Mandika boky ara-baiboly ho amin’ny fiteny maro. Manara-maso ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Frantsa, Maorisy, Seychelles, ary ny faritany frantsay (Goadelopy, Guyane, La Réunion, Martinika, Mayotte, Saint-Barthélemy, Saint-Martin, ary Saint-Pierre sy Miquelon).

Haka Bokikely Momba ny Betela