Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Fanazavana Momba ny Birao sy ny Fitsidihana

Asainay ianao hitsidika ny biraonay sy ny fanaovanay pirinty. Jereo ny toerana sy ny fotoana azo anaovana izany.

 

Etazonia

Mamandriha Toerana Amin’ny Fitsidihana

Manaova famandrihana alohan’ny hahatongavanao mitsidika ny biraonay any Etazonia. Misy rohy ho an’ny toerana tsirairay azonao tsidihina, etsy ambany, ary azonao ampiasaina ireo rehefa hanao famandrihana ianao. Marihina fa toerana roa, fara fahabetsany, no tsara tsidihina ao anatin’ny iray andro.

Tokony hanao famandrihana foana izay te hitsidika na firy na firy izy ireo, ary na aiza na aiza toerana tiany hotsidihina amin’ny biraonay any Etazonia.

Mpitsidika latsaka ny 20

Mpitsidika 20 na mihoatra

Mandefasa fangatahana hitsidika ny birao any Patterson na Wallkill na Warwick, raha maromaro ianareo no hiaraka hitsidika.

Hanafoana fitsidihana

Azonao foanana ato amin’ny Internet ny famandrihana fitsidihana na ny fangatahana hitsidika nalefanao.

Patterson

100 Watchtower Dr. (2891 Route 22)

PATTERSON NY 12563

UNITED STATES

+1 845-306-1000

Fitsidihana

Manaova famandrihana alohan’ny hahatongavanao mitsidika.

Alatsinainy hatramin’ny zoma

Maraina: 8.00–11.00; tolakandro: 1.00–4.00

Maharitra adiny roa

Mampiavaka azy

Manao ny sary ho an’ireo boky sy gazetinay, ary ny raki-peo sy video. Asongadina mandritra ny fitsidihana ireo sekoly ara-baiboly atao any.

Wallkill

900 Red Mills Rd.

WALLKILL NY 12589

UNITED STATES

+1 845-744-6000

Fitsidihana

Manaova famandrihana alohan’ny hahatongavanao mitsidika.

Alatsinainy hatramin’ny zoma

Maraina: 8.00–11.00; tolakandro: 1.00–4.00

Maharitra adiny roa

Mampiavaka azy

Manao pirinty boky ara-baiboly miisa 25 tapitrisa mahery isan-taona. Mandefa boky sy gazety amin’ny fiteny 360 mahery any amin’ny sampana maneran-tany, sy any amin’ny fiangonana 15 000 mahery any Etazonia sy Kanada ary Karaiba.

Warwick

1 Kings Dr.

TUXEDO PARK NY 10987

UNITED STATES

+1 845-​324-​3000

Fitsidihana

Azo tsidihina ny any Warwick manomboka amin’ny alatsinainy 3 Aprily 2017. Manaova famandrihana alohan’ny hahatongavanao mitsidika.

Alatsinainy hatramin’ny zoma

8:00 maraina–4:00 tolakandro

(Fijerena fampirantiana: Tsy misy mitarika)

Maraina: 8:00–11:00; tolakandro: 1:00–4:00

(Misy mitarika)

Mampiavaka azy

Fijerena fampirantiana: Tsy misy mitarika

  1. Ny Baiboly sy ny Anaran’Andriamanitra. Aseho amin’ity fampirantiana ity ireo Baiboly vitsy mpanana, ary asongadina ao hoe mbola voatahiry foana ny anaran’Andriamanitra na dia betsaka aza no nitady hanala azy tao amin’ny Baiboly. Ahitana Baiboly hafa vitsy mpanana miaraka amin’ny vakoka hafa mifandray amin’ny Baiboly koa ao.

  2. Vahoaka Mitondra ny Anaran’i Jehovah. Aseho amin’ity fampirantiana ity ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hita amin’ireo vakoka sy sary ary fitantaran’ireo niaina tamin’izany fa mitarika sy mampianatra ary mandamina ny vahoakany tsikelikely i Jehovah, mba hanaovan’izy ireo ny sitrapony.

  3. Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah: Finoana Aseho Amin’ny Atao. Hazavaina amin’ity fampirantiana ity izay ataon’ireo komity eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana. Ampian’izy ireo koa ny Vavolombelon’i Jehovah mba hivory, hanao mpianatra, hahazo sakafo ara-panahy, ary hifankatia satria izany no asain’ny Soratra Masina ataon’izy ireo.

Misy mitarika

Maharitra 20 minitra ny fitsidihana ny ampahany amin’ireo trano misy ny birao sy sampan’asa samihafa, sy ilay toerana ao Warwick.

Handika bokikelin’ny fitsidihana.