Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

9 APRILY 2015
VANUATU

Manampy Tra-boina ny Vavolombelon’i Jehovah Taorian’ny Rivo-doza Pam

Manampy Tra-boina ny Vavolombelon’i Jehovah Taorian’ny Rivo-doza Pam

NOUMÉA, Nouvelle-Calédonie—Namely ny nosy Vanuatu any Pasifika ny Rivo-doza Pam, nanomboka tamin’ny alin’ny 13 Martsa 2015. Araka ny tatitra voalohany voaray avy amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Nouvelle-Calédonie, dia tsy nisy maty na naratra ny Vavolombelona tany. Mbola eo am-pamaritana ny simba isika izao, nefa efa fantatra aloha hatreto hoe trano 31 an’ny Vavolombelon’i Jehovah no rava ary 58 no simba be, any amin’ny nosy Éfaté. Efa ho ny trano rehetra an’ny Vavolombelona any amin’ny nosy Tanna kosa no simba be na rava. Efitrano Fanjakana telo no ravan’ny rivotra ary ny iray simba nianjeran’ny hazo.

Nanome sakafo sy rano madio ary trano tsotsotra ho an’ny fianakaviana Vavolombelona 100 eo ho eo ny komitin’ny vonjy rano vaky ao Port-Vila, any Vanuatu. Nandefasana vatsy iray taonina koa ny Vavolombelona tany Tanna satria nila fanampiana teo no ho eo. Miara-miasa amin’ny biraon’ny sampan’i Nouvelle-Calédonie ny sampan’i Aostralia amin’ny fanampiana an’ireo tra-boina. Hanome toeram-pialofana sy fatoriana ary fitafiana ho an’ireo niharan-doza izy ireo, hanamboatra trano simba, ary hanome zavatra hafa.

Hoy i Jean-Pierre Francine, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Nouvelle-Calédonie: “Tena ankasitrahanay ny fanampiana avy any ivelany sy ny avy amin’ny fanjakana eto an-toerana, izay nahasoa an’ireo mpiara-manompo aminay. Efa azon’ny fiaramanidina ivezivezena izao any Vanuatu, ka mitsidika any ny solontenan’ny biraon’ny sampan’i Nouvelle-Calédonie sy ny mpiandraikitra mpitety faritany. Nitondra fanampiana izy ireo sady nampahery tamin’ny alalan’ny Baiboly.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Nouvelle-Calédonie: Jean-Pierre Francine, tel. +687 43 75 00