Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

12 APRILY 2017
ROSIA

Nihaino An’ireo Porofo Fanampiny ny Fitsarana Tampony Nandritra ny Andro Fahefatra

Nihaino An’ireo Porofo Fanampiny ny Fitsarana Tampony Nandritra ny Andro Fahefatra

NEW YORK—Androany ny andro fahefatra nihainoan’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia an’ilay raharaha momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Be dia be no nanatrika azy io. Nodinihina tamin’izany ny fangatahan’ny Minisiteran’ny Fitsarana hoe hofoanana ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia. Efa hariva be ilay fitsarana vao nirava, ary hitohy indray amin’ny alarobia 19 Aprily 2017 amin’ny 10 ora maraina.

Ireo mpisolovavan’ny Vavolombelon’i Jehovah no nanomboka ny fitenenana, ka nanome porofo maromaro hiarovana an’ilay foibe. Taorian’izay, dia nametraka fanontaniana tamin’izy ireo ny mpisolovavan’ny Minisiteran’ny Fitsarana. Rehefa avy naheno ny porofo naroson’ireo mpisolovavan’ny Vavolombelona ny mpitsara, dia nanontany an’ireo mpisolovavan’ilay Minisitera hoe inona no antony araka ny lalàna hanafoanana ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nahita holazaina izy ireo ary tsy voavaliny koa ny fanontaniana hafa napetraka taminy. Nifarana ny fitsarana, rehefa avy nihaino ny tenin’ireo vavolombelona avy amin’ny andaniny sy ny ankilany ny mpitsara.

Tokony hanomboka handinika an’ireo antontan-taratasy momba an’ilay raharaha ny fitsarana, amin’ny herinandro ambony.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao +1-845-524-3000

Rosia: Yaroslav Sivulskiy, +7-911-087-8009