Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

14 OKTOBRA 2015
ROSIA

Hitan’ny Manam-pahaizana fa Tsy Tokony Horarana ny JW.ORG

Hitan’ny Manam-pahaizana fa Tsy Tokony Horarana ny JW.ORG

SAINT-PÉTERSBOURG, any Rosia—Noraran’ny Federasionan’i Rosia ny jw.org, ilay tranonkala ofisialin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 21 Jolay 2015. Heloka bevava izao ny mampirisika ny olona hijery an’io tranonkala io, any Rosia. Any irery no firenena mandrara ny jw.org.

Milaza ny heviny momba ny jw.org i Yekaterina Elbakyan, manam-pahaizana momba ny fivavahana sady mpampianatra ao amin’ny Oniversite momba ny asa sy ny fiaraha-monina, any Moscou. Hoy izy: “Hitako hoe tena ilaina io tranonkala io satria ao no misy fanazavana voalanjalanja tsara momba ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, sady avy amin’izy ireo fa tsy avy amin’olon-kafa. . . . Tsy ny mpikambana ao amin’izy ireo ihany no te hijery an’ilay tranonkala fa ny olon-kafa maniry hahalala fivavahana samihafa koa. Anisan’izany ny mpandalina momba ny fivavahana hoatran’ahy, sy ny mpanao gazety ary ny mpanoratra.”

“Hitako hoe tena ilaina io tranonkala io satria ao no misy fanazavana voalanjalanja tsara momba ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, sady avy amin’izy ireo fa tsy avy amin’olon-kafa”—Yekaterina Elbakyan, manam-pahaizana momba ny fivavahana sady mpampianatra amin’ny oniversite any Moscou

Miresaka momba an’ilay fandrarana nataon’ny fitondrana i Lev Levinson, manam-pahaizana momba ny lalàna, avy ao amin’ny Fikambanana Miaro ny Zon’olombelona any Moscou. Hoy izy: “Manaja ny fahalalahana ara-pivavahana ny lalàm-panorenan’i Rosia, amin’izao taonjato faha-21 izao, ary mitovy daholo ny fivavahana rehetra eo anatrehan’ny lalàna. Mamerina ny nataony tamin’ny taonjato faha-19 indray anefa izao i Rosia. Sakantsakanany ny fahalalahana hiresaka momba ny zavatra inoana, ka misy boky alainy tsotra izao, ary misy tranonkala rarany. Mpitsara sy manam-pahaizana daholo no manao an’izany. Tsy araka ny tokony ho izy no ampiharany ny lalàna, ary mody lazainy fa hiadiana amin’ny fikambanana mahery fihetsika izany.”

Efa tamin’ny 2013 no nanomboka niadiana an’io raharaha io teny amin’ny fitsarana, ary izao miafara amin’ny fandrarana izao. Nisy fitsarana an-tsokosoko natao tamin’ny 7 Aogositra 2013, ary voalaza fa “mampidi-doza” ilay tranonkala. Nolavin’ny fitsarana iray ambony kokoa anefa izany, tamin’ny 22 Janoary 2014. Nampakarin’ny mpampanoa lalàna iray tany amin’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia indray ilay raharaha, avy eo. Notsarain’ny Fitsarana Tampony ilay izy tamin’ny 2 Desambra 2014, nefa tsy teo ny Vavolombelon’i Jehovah satria tsy nahazo filazana mazava momba an’io fitsarana io. Naverin’io Fitsarana Tampony io àry ny didim-pitsarana hoe “mampidi-doza” ilay tranonkala manontolo, na dia nekeny aza hoe efa tsy misy boky na zavatra hafa raran’ny fitondrana rosianina intsony ao. Nandefa fitarainana tany amin’ny prezidàn’ny Fitsarana Tampony ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa tsy nisy vokany. Nampidirin’ny Minisiteran’ny Fitsarana any amin’ny Federasionan’i Rosia ho anisan’ny Zavatra Mampidi-doza àry ilay tranonkala, tamin’ny 21 Jolay 2015.

Hoy i Yaroslav Sivulskiy, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia, momba an’iny fandrarana iny: “Malahelo izahay noho iny zavatra nataon’ny manam-pahefana eto Rosia iny. Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 170 000 izao no lasa tsy afaka manaraka tsara ny fivavahany, noho io fandrarana io. Misy olona 285 000 eo ho eo anefa mitsidika an’ilay tranonkala isan’andro, ka midika izany fa na ireo olona tsy Vavolombelona aza dia lasa tsy afaka mianatra Baiboly amin’ny alalan’izy io intsony.”

Hoy i J. R. Brown, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny foibe any Brooklyn, Etazonia: “Ahitana an’ireo video nahazoanay mari-pankasitrahana ao amin’io tranonkala io. Misy boky sy gazety amin’ny fiteny an-jatony koa ao, anisan’izany Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! izay gazety miely indrindra eran-tany. Naseho tany amin’ny foara iraisam-pirenena mihitsy aza io tranonkala io, sady nampiasaina matetika tany an-tsekoly. Betsaka koa ny fikambanana mandray soa amin’izy io maneran-tany, ary be dia be ny olona nampiasa azy io tany Rosia. Tokony hampirisihana hitsidika an’io tranonkala io mihitsy aza ny olona, raha ny marina.”

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Rosia: Yaroslav Sivulskiy, tel. +7 812 702 2691