Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

17 FEBROARY 2014
PHILIPPINES

Vaovao Farany: Manampy Tra-boina ny Vavolombelon’i Jehovah Taorian’ilay Rivo-doza Mahery Haiyan

Vaovao Farany: Manampy Tra-boina ny Vavolombelon’i Jehovah Taorian’ilay Rivo-doza Mahery Haiyan

MANILLE, any Philippines—Nandravarava an’i Philippines ny Rivo-doza Mahery Haiyan, ka nandamina ezaka maneran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampiana ny tra-boina any.

Nanangana komitin’ny vonjy rano vaky miisa dimy ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Philippines, mba hanampiana an’ireo tra-boina. Fanampiana milanja 190 taonina mahery no nalefa tany Philippines afovoany. Nanolo-tena hanampy koa ny Vavolombelona avy any amin’ny tany folo mahery. Manangana sy manamboatra trano rava 2 000 mahery izy ireo, ary manampy eo amin’ny lafiny ara-pitsaboana.

Olona 225 no mbola mipetraka ao amin’ireo tranolay natsangan’ny Vavolombelon’i Jehovah any akaikin’ny tanànan’i Calbayog, any Samar. Tsy Vavolombelona ny 15 ka hatramin’ny 20 isan-jato eo ho eo amin’ireo mialokaloka ao.

Taorian’ny nandalovan’iny rivo-doza anisan’ny nahery vaika indrindra iny, dia 6 201 no maty ary 1 785 no mbola tsy hita popòka. Olona 28 000 eo ho eo no naratra ary iray tapitrisa mahery ny trano simba. Nohamafisin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Philippines fa Vavolombelona 33 no maty ary 10 no tsy hita popòka ka heverina hoe maty.

Mitsidika tra-boina i Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nanomboka tamin’ny 7 Desambra 2013, dia nitsidika faritany dimy tany Philippines nandritra ny fito andro i Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Mbola misy vokany be eo amin’ny fiainan’ny olona maro any Philippines ny fandalovan’ny Rivo-doza Haiyan. Vonona izahay hanohy hanome an’izay fanampiana ilain’ireo tra-boina, na zavatra izany, na herim-batana, na fampaherezana, mba hahafahan’izy ireo hiarina.”

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Philippines: Dean Jacek, tel. +63 2 411 6090