Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

9 DESAMBRA 2016
NOUVELLE-CALÉDONIE

Nisy Tondra-drano sy Tany Nihotsaka Tany Nouvelle-Calédonie

Nisy Tondra-drano sy Tany Nihotsaka Tany Nouvelle-Calédonie

Nisy oram-be mbola tsy nisy hoatr’izany tany amin’ny morontsiraka atsinanan’i Nouvelle-Calédonie, nanomboka tamin’ny 21 Novambra. Nahatratra 400 milimetatra mahery ny rotsakorana tao anatin’ny adiny 12, araka ny tatitra voaray. Tondraka be ny rano ary nisy tany nihotsaka. Olona dimy no maty, telo no tsy hita popòka, ary enina no naratra.

Vavolombelon’i Jehovah ny roa tamin’ireo olona dimy maty, ary zanak’izy ireo ny roa tamin’ireo tsy hita popòka.

Nisy solontena roa avy any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Nouvelle-Calédonie, tonga tany ny ampitson’iny. Nampahery sy nitondra fanampiana ho an’ireo Vavolombelona tra-boina izy ireo. Vavolombelona 40 mahery no nanolo-tena hanadio ny tranon’ireo mpiara-mivavaka aminy tondraky ny rano.

Ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny foiben’izy ireo any New York, no miandraikitra ny fanampiana tra-boina. Ny vola fanomezana ho an’ny asa fitoriana maneran-tany no ampiasain’izy ireo amin’izany.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, 1-845-524-3000

Nouvelle-Calédonie: Jean-Pierre Francine, +687-43-75-00