Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

13 DESAMBRA 2016
NOSY SALOMON

Niteraka Tsunami Ilay Horohoron-tany Tany Amin’ny Nosy Salomon

Niteraka Tsunami Ilay Horohoron-tany Tany Amin’ny Nosy Salomon

Nisy horohoron-tany nirefy 7,8 amin’ny maridrefy Richter tany amin’ny Nosy Salomon, tamin’ny 9 Desambra 2016. Mbola nihovotrovotra ny tany taorian’izay sady nisy tsunami. Tsy nisy Vavolombelona maty na naratra anefa tany an-toerana. Tsy nisy simba be koa ny toeram-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Any Honiara renivohitra, akaikin’ny morontsiraka, no misy ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy maintsy nifindra tany amin’ny toerana avo daholo àry ny mpiasa tao, araka ny filazana nalefan’ny Foibe Mampitandrina Momba ny Tsunami any Pasifika. Efa tsy misy atahorana intsony izao, ka efa niverina ao amin’ny biraon’ny sampana daholo izy rehetra, sady afaka manohy ny asany hoatran’ny mahazatra.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1-845-524-3000

Nosy Salomon: Lency Lamani, +677-22241