Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

28 APRILY 2015
NÉPAL

Horohoron-tany Mafy Tany Népal

Horohoron-tany Mafy Tany Népal

Tamin’ny asabotsy 25 Aprily 2015, dia nisy horohoron-tany nahatratra 7,8 amin’ny maridrefy Richter tany Népal, ka nandravarava an’i Katmandou renivohitra. Mbola nihovotrovotra imbetsaka ny tany taorian’izay, ary nisy aza nahatratra 6,6. Araka ny tatitra avy amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Katmandou, dia vehivavy Vavolombelona iray sy ny zanany roa no maty tamin’ilay loza, ary mbola mitohy ny fanadihadiana. Am-polony koa ny tranon’ny Vavolombelona rava ary maro no simba. Nisy simba kely koa ny sampan’i Népal. Miara-miasa amin’ny sampan’i Népal ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Japon mba hikarakarana ny tra-boina.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Japon: Ichiki Matsunaga, tel. +81 46 233 0005

Népal: Reuben Thapaliya, tel. +977 9813469616