Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

24 APRILY 2015
MEKSIKA

Navoaka Tamin’ny Fiteny Tzotzil any Meksika Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoaka Tamin’ny Fiteny Tzotzil any Meksika Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Namoaka an’ilay Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny tzotzil i Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanao Jerkil izy, izany hoe akanjo ambony tzotzil nentim-paharazana vita amin’ny volonondry.

MEXICO—Namoaka ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny tzotzil ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra natao ny 26-28 Desambra 2014, tany Tuxtla Gutierrez any Chiapas. Natao tamin’ny fiteny tzotzil ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra “Katsaho Foana Aloha ny Fanjakan’Andriamanitra!”, sady nampitaina tany amin’ireo mpanatrika tao Comitan, any Chiapas. Ankoatra an’ilay Baiboly, dia nahazo boky vaovao enina amin’ny fiteny tzotzil koa ireo mpanatrika 5 073.

Hoy i Gamaliel Camarillo, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika: “Faly be izahay fa nivoaka tamin’ny fiteny tzozil Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Tsy andrinay izay izarana an’io Baiboly io amin’ny olon-kafa miteny tzotzil.”

Vavolombelon’i Jehovah miteny tzotzil, mampiasa an’ilay Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao vao navoaka, tamin’ilay fivoriambe tany Chiapas, any Meksika.

Milaza ny Birao Misahana ny Fanabeazam-bahoakan’i Meksika fa 350 000 mahery ny olona miteny tzotzil any Baja California, Campeche, Chiapas, Oaxaca, ary Veracruz. Nanangana biraon’ny fandikan-teny mitokana any San Cristobal de las Casas, any Chiapas, ireo Vavolombelona, mba hahafahana hizara izay voalazan’ny Baiboly amin’ireo olona miteny tzotzil. Mpandika teny 15 no miasa any. Tamin’ny taona 2002 no namoahana boky voalohany amin’ny fiteny tzotzil. Mihoatra ny 60 anefa izao ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fiteny tzotzil azo alaina ao amin’ny jw.org, tranonkala ofisialin’izy ireo.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Meksika: Gamaliel Camarillo, tel. +52 555 133 3048