MEXICO—Nasaina handray anjara amin’ny Fampirantiana Boky Iraisam-pirenen’i Guadalajara ny Vavolombelon’i Jehovah. Io no fampirantiana boky lehibe indrindra atao any amin’ny tany miteny espaniola, sady faharoa maneran-tany, manarakaraka ny Fampirantiana Bokin’i Francfort, any Alemaina. Natao tany Guadalajara, any Meksika, ilay izy, tamin’ny 29 Novambra ka hatramin’ny 7 Desambra 2014, ary 760 000 mahery ny mpitsidika.

Niisa 4 000 mahery no voazara, tamin’ireo boky roa hoe Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa.

Mpanao fanontana 1 900 teo ho eo avy any amin’ny firenena 44 no nandray anjara, ary tao koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny Baiboly sy boky ara-baiboly no tena nasongadin’ny Vavolombelona tamin’ny trano hevan’izy ireo, anisan’izany ny boky tena ilain’ny fianakaviana, ny tanora, ary ny ankizy.

Hoy i Gamaliel Camarillo, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika: “Tamin’ireo efatra andro nijanonanay teo amin’ilay trano heva, dia efa 10 000 mahery ny olona nandalo teo aminay, ary efa ho 29 000 ny boky nozarainay maimaim-poana. Tsy hizara boky fotsiny anefa no tanjonay. Natao hampahafantarana ny olona momba ny torohevitra mahasoa ao amin’ny Baiboly ny boky sy gazetinay, ary olona an-tapitrisany no efa mandray soa amin’izany isan’andro.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Meksika: Gamaliel Camarillo, tel. +52 555 133 3048