Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

23 OKTOBRA 2013
MEKSIKA

Rivo-doza Namely An’i Meksika

Rivo-doza Namely An’i Meksika

Namely an’i Meksika ny Rivo-doza Ingrid sy Manuel teo am-piandohan’ny volana Septambra 2013 ka hatramin’ny tapatapak’io volana io. Nitondra oram-be izy ireo ka lasa nisy tany nihotsaka sy tondra-drano tany. Maro ny trano rava sy ny voly simba, ary olona tsy latsaka ny 80 no maty. Vavolombelon’i Jehovah iray no naratra. Tsy afaka nody koa ireo Vavolombelona 300 mahery namonjy fivoriamben’ny vondrom-paritra tao Chilpancingo, any Guerrero, satria tapaka ny lalana. Nitoby tao amin’ny Efitrano Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, na nampiantranoin’ny Vavolombelona teo an-toerana. Mbola miara-miasa amin’ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ireo anti-panahy anisan’ny komitin’ny vonjy rano vaky izao ny solontenan’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika, mba hahafahana manome izay tena ilain’ireo tra-boina.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Meksika: Marco Barrera, tel. +52 555 858 0116