Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

25 JOLAY 2014
KROASIA

Manampy Tra-boina any Amin’ireo Tany Balkans ny Vavolombelona

Manampy Tra-boina any Amin’ireo Tany Balkans ny Vavolombelona

ZAGREB, any Kroasia—Nisy oram-be nivatravatra tany amin’ireo tany Balkans, tamin’ny 13 ka hatramin’ny 15 Mey 2014. Nisy tondra-drano be, vokatr’izany, ary nisy tany nihotsaka 3000 teo ho eo. Io no tondra-drano nampidi-doza indrindra tany Bosnia-Herzegovina sy Kroasia ary Serbia hatramin’izay. Nanampy an’ireo tra-boina tany ny komitin’ny vonjy rano vaky eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay mpiasa an-tsitrapo daholo. Niaraka tamin’izy ireo koa ny solontenan’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina.

Nomen’ireo komity fitaovam-pitaterana, sakafo, akanjo, ary trano vonjimaika avy hatrany ireo tsy maintsy niala tamin’ny tranony. Tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah maty na naratra, fa 14 kosa, fara fahakeliny, ny tranon’izy ireo rava tanteraka na simba be. Rava koa ny toeram-pivavahana iray an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ireo komitin’ny vonjy rano vaky ireo izao no manara-maso ny fanamboarana ny trano simba sy ny fanorenana trano tsotsotra ho an’ireo nanana trano rava.

Hoy i Josip Liović, mpitondra tenin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kroasia: “Maivamaivana erỳ izahay maheno hoe tsy nisy niharan-doza ny tao amin’ny fiangonanay, nefa miara-ory amin’ireo namoy havana aman-tsakaiza koa izahay. Manao ezaka manokana izahay hampaherezana ny olona manerana ireo tany Balkans. Faly koa izahay satria nampian’ny namanay avy any Alemaina handamina fanampiana tra-boina. Tena ilaina izany mandritra an’ireo herinandro sy volana ho avy.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Kroasia: Josip Liović, tel. +385 91 5336 511

Serbia: Daniel Domonji, tel. +381 11 405 99 00