Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

12 DESAMBRA 2014
KOREA ATSIMO

Fivoriambe Iraisam-pirenena Tany Séoul Namoahana Baiboly Vaovao

Fivoriambe Iraisam-pirenena Tany Séoul Namoahana Baiboly Vaovao

I David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no namoaka Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina amin’ny teny koreanina.

SÉOUL—Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena hoe “Katsaho Foana Aloha ny Fanjakan’Andriamanitra!” Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina amin’ny teny koreanina. Natao tamin’ny 6-8 Septambra 2014 izy io, tao amin’ilay kianja niadiana ny amboara eran-tany tamin’ny lalao baolina kitra. Nizarana Baiboly maimaim-poana ireo mpanatrika 56 867, sy ireo 59 091 nanaraka an’ilay fandaharana tamin’ny alalan’ny satelita tany Busan, Daejeon, Gwangju, Jeju, Suwon, ary Yeosu. Nilaza i Joon-yeong Choi, iray tamin’ireo mpanatrika, fa “ny namoahana ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina no fotoana tsy hay hadinoina indrindra tamin’io fivoriambe io.”

Nandray soa tamin’ilay fandaharana ara-panahy ireo mpanatrika 56 000 mahery.

Nisy Vavolombelona avy any Etazonia, Failandy, Kanada, Philippines, ary Polonina tonga nanatrika an’ilay fandaharana. Hoy i Dae-il Hong, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Korea: “Fotoan-dehibe tena mahafaly sady andraisana fianarana izy io, ka niasa mafy izahay rehefa nanomana azy. Tsara lavitra noho ny nantenainay anefa ilay izy. Tombontsoa be ny nampiantrano an’io fandaharana manokana io.”

Nisy Baiboly ngezabe nandravaka an’ilay kianja.

Faly be ireo mpanatrika tao amin’ilay kianja rehefa nahita hoe hay dobo fanaovana batisa ny telo tamin’ireo Baiboly lehibe nandravaka an’ilay kianja. Nisy 630 ny natao batisa tao Séoul, ary 596 ny tany amin’ireo toerana enina, izany hoe 1 226 raha atambatra.

Tao anatin’ireo Baiboly ngezabe ny dobo fanaovana batisa.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Repoblikan’i Korea: Dae-il Hong, tel. +82 31 690 0033