Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

29 APRILY 2016
JAPON

Horohoron-tany Tany Japon

Horohoron-tany Tany Japon

Nisy horohoron-tany roa nahery vaika namely ny nosy Kyushu, any amin’ny faritra atsimon’i Japon, tamin’ny 14 sy 16 Aprily 2016. Nirefy 6,5 ny voalohany ary 7,3 ny faharoa. Mbola nihovotrovotra imbetsaka ny tany taorian’izay. Maherin’ny 70 ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ilay faritra niharan-doza. Tsy nisy Vavolombelona maty na naratra mafy anefa. Ny 70 mahery amin’ny tranon’izy ireo kosa no simba be, ary 17 no rava tanteraka. Noho ny tany tsy nitsahatra nihovotrovotra, dia Vavolombelona 400 mahery no niala tamin’ny tranony ka lasa nipetraka any amin’ny Efitrano Fanjakana, izany hoe trano fivavahana. Mahazo sakafo sy fialofana izy ireo any. Nanangana komitin’ny vonjy rano vaky ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Japon. Mpiasa an-tsitrapo mahay manao trano no ao amin’io komity io, ary hikarakara an’ireo tra-boina no andraikiny.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Japon: Ichiki Matsunaga, tel. +81 46 233 0005