Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

14 SEPTAMBRA 2017
INDE

Oram-be Nivatravatra Tany Mumbai

Oram-be Nivatravatra Tany Mumbai

Nisy oram-be nivatravatra tany Mumbai, any Inde, nandritra ny herinandron’ny 28 Aogositra, ka olona 14 no maty.

Araka ny tatitra nataon’ny biraon’ny sampan’i Inde, dia tsy nisy maty na naratra mafy ny Vavolombelon’i Jehovah any. Tratran’ny tondra-drano kosa ny tranona Vavolombelona maromaro. Nanampy nanadio ny tranon’izy ireo ny Vavolombelona any an-toerana sady nizara sakafo ho azy ireo.

Mbola miezaka ny biraon’ny sampan’i Inde mba hanome fanampiana any Mumbai sy any amin’ny faritra hafa tratran’ilay tondra-drano.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1-845-524-3000

Inde: Tobias Dias, tel. +91-9845476425