Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

6 APRILY 2016
HONGRIA

Fahatsiarovana An’ireo Vavolombelona Novonoin’ny Nazia Tany Hongria

Fahatsiarovana An’ireo Vavolombelona Novonoin’ny Nazia Tany Hongria

NASIANA takela-pahatsiarovana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah efatra novonoin’ny Nazia ao amin’ny Foibe Fahatsiarovana ny Famonoana Tambabe, any Budapest any Hongria. Notokanana ny 11 Desambra 2015 io takela-pahatsiarovana io.

Takela-pahatsiarovana an’ireo Vavolombelon’i Jehovah efatra, novonoin’ny Nazia tamin’ny Ady Lehibe II.

Tsy iza ireo Vavolombelona ireo fa i Lajos Deli, Antal Hönisch, Bertalan Szabό, ary János Zsondor. Tsy nanaiky hanao miaramila mantsy izy ireo nandritra ny Ady Lehibe II, ka novonoin’ireo Nazia hongroà tamin’ny Martsa 1945, tao amin’ny tanànan’i Körmend sy Sárvár. Nosoratana teo amin’ilay takela-pahatsiarovana, teo akaikin’ny anaran’izy efatra mirahalahy ilay teny avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:29 hoe: “Andriamanitra no mpitondra anay ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.”

Nikabary tamin’ilay fitokanana ny Pr. Csaba Latorcai, Sekreteram-panjakana misahana ny fiaraha-monina.

Nilaza toy izao ny Pr. Csaba Latorcai, izay sekreteram-panjakana misahana ny fiaraha-monina, tamin’ilay fitokanana: ‘Natao hahatsiarovana an’ireo Vavolombelon’i Jehovah efatra io takelaka io. Nankatò an’ilay didy hoe “aza mamono olona” tokoa mantsy izy ireo, ka tsy nanaiky handray fitaovam-piadiana mihitsy satria tia ny mpiray finoana sy ny mpiara-belona taminy.’

Hoy koa ny Pr. Szabolcs Szita, talen’ny Foibe Fahatsiarovana ny Famonoana Tambabe: “Miavaka ity fitokanana ity satria tsy mba notsarovana toy ny olona rehetra nampijalin’ny Nazia ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izay. Tena nanam-pinoana anefa ireo efa-dahy ireo ka tsy nivadika mihitsy mandra-pahafatiny. Ohatra tsara ho antsika tokoa izy ireo.”

Nitokana an’ilay takelaka tamin’ny fomba ofisialy ny Pr. Szabolcs Szita, talen’ilay Foibe Fahatsiarovana ny Famonoana Tambabe, any Budapest.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Hongria: András Simon, tel. +36 1 401 1118