Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

11 NOVAMBRA 2014
HONDURAS

Lozam-pifamoivoizana Nahatsiravina Tany Honduras

Lozam-pifamoivoizana Nahatsiravina Tany Honduras

Niharan’ny lozam-piarakodia ny bisy nitondra Vavolombelon’i Jehovah 57, ny marainan’ny 31 Oktobra 2014. Niainga avy tany San Carlos Choloma izy ireo, ary handeha hampianatra Baiboly tany Las Flores Lempira. Maty ny mpamilin’ilay bisy sy ny Vavolombelona 13 tao anatiny, anisan’izany ny ankizivavy roa, 14 taona sy 8 taona. Nentina tany amin’ny hopitaly ny Vavolombelona 44 ka ny 2 tamin’izy ireo ihany no nila fitsaboana lehibe. Efa nivoaka ny hopitaly izy ireo izao. Mampahery sy manampy an’ireo niharam-boina ny mpiara-mivavaka amin’izy ireo. Nalevina tamin’ny 1 Novambra 2014 ny sivy tamin’ireo maty. Natao tany Choloma ilay fandevenana ary izy ireo no voalohany nalevina tamin’ireo namoy ny ainy tamin’ilay loza. Telo arivo teo ho eo ny mpandevina.

Hoy i José Castillo, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Honduras: “Nanampy be an’ireo niharam-boina ny fiaraha-monina sy ny fikambanana samihafa, ary mankasitraka azy ireo izahay.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Honduras: José Castillo Adriano, tel. +504 9998 0895

Meksika: Gamaliel Camarillo, tel. +52 555 133 3048