Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

25 FEBROARY 2016
VAOVAO ERAN-TANY

Asain’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Olona Eran-tany mba Hahatsiaro ny Nahafatesan’i Kristy

Asain’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Olona Eran-tany mba Hahatsiaro ny Nahafatesan’i Kristy

Hisy lahateny, na toriteny, amin’io fotoan-dehibe io.

NEW YORK—Manao ezaka manokana ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, manomboka amin’ny asabotsy 27 Febroary. Asain’izy ireo ny olona mba hanatrika an’ilay fotoana lehibe indrindra amin’izy ireo, dia ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Hatao amin’ny 23 Martsa izy io. Hoy i David Semonian, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny foiben’izy ireo any New York: “Hisy lahateny amin’io fahatsiarovana io. Hohazavaina hoe efa ho roa arivo taona izay i Jesosy no maty ka nahoana no mbola ilaintsika ny nahafatesany, ary nahoana izany no manome fanantenana ho antsika. Tianay ho betsaka araka izay azo atao ny olona handray soa avy amin’io fandaharana ara-panahy io.”

Vavolombelon’i Jehovah valo tapitrisa eo ho eo maneran-tany no hitsidika ny mpiray tanàna aminy mba hanasana azy ireo, mandritra an’io ezaka manokana io. Efa ho 20 tapitrisa no nanatrika an’io Fahatsiarovana io tamin’ny herintaona.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000