Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

29 APRILY 2013
ARZANTINA

Tondra-drano Tany Arzantina

Tondra-drano Tany Arzantina

Vetivety nefa nampidi-doza ny tondra-drano tany Buenos Aires sy La Plata tamin’ny 2 Aprily 2013. Nanao tatitra ny mpanao gazety hoe 57 no maty. Vavolombelon’i Jehovah 500 teo ho eo no niharan’ilay loza ary 200 teo ho eo no nasaina niala tamin’ny tranony. Nandefa fanampiana vonjy rano vaky ny Vavolombelona nanerana an’i Arzantina ka nanome rano fisotro 30 000 litatra mahery, sakafo 30 taonina, ary kidoro sy bodofotsy ary ondana an-jatony. Tsy ny Vavolombelona ihany no nahazo tamin’ireo fa nisy tsy Vavolombelona koa. Vavolombelona an-jatony no nanolo-tena handray anjara tamin’ny fanampiana vonjy rano vaky. Nisy aza avy any amin’ny 480 kilaometatra nefa tonga mba hanampy amin’ny fanadiovana sy fanamboarana ny simba.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Arzantina: Ángel Mattiacci, tel. +54 15 5424 9071