Hijery ny anatiny

Vaovao ho An’ny Mpanao Gazety

Nankasitraka ny Asa Nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Manam-pahefana any Amin’ny Faritra Avaratr’i Kanada

Nampianatra Baiboly tany amin’ny faritra mitokana be tany Kanada ny Vavolombelon’i Jehovah. Tany Aklavik, any amin’ny Faritany Avaratrandrefana, sy tany Kangiqsualujjuaq, any andrefana, ary tany Québec, any atsinanana, izy ireo no nandeha.

Nankasitraka ny Asa Nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Manam-pahefana any Amin’ny Faritra Avaratr’i Kanada

Nampianatra Baiboly tany amin’ny faritra mitokana be tany Kanada ny Vavolombelon’i Jehovah. Tany Aklavik, any amin’ny Faritany Avaratrandrefana, sy tany Kangiqsualujjuaq, any andrefana, ary tany Québec, any atsinanana, izy ireo no nandeha.

ITALIA

Fanadinadinana ny Profesora Patrizio Mazza

“Tena azo atao tsara ny tsy mampiditra ra rehefa mitsabo olona voan’ny kanseran’ny ra, ohatra hoe voan’ny lymphome, na leucémie, na myélome (Lasa be dia be ny olona voan’ny myélome any amin’ny tany tandrefana).

ITALIA

Fanadinadinana ny Profesora Alfredo Guglielmi

“Ny Vavolombelon’i Jehovah no nahatonga anay hitandrina be amin’ny fomba ampiasana ny ra: Ampianay ilay marary mba ho vonona tsara, fantarinay tsara hoe iza no marary mety amin’ny karazana fitsaboana iray, ary ataonay vonona tsara ny ao amin’ny efitra fandidiana mba hahafahanay manao an’izay rehetra azo atao mba tsy hahavery ra be an’ilay olona. Raha tsy ampy ra ilay marary, dia tsaboina tsara aloha izy vao didiana.”

KANADA

Naneho ny Heviny Momba ny Fitsaboana Tsy Misy Fampidiran-dra ny Dokotera Kanadianina Dimy

Jereo ny fanadinadinana natao vao haingana tamin’ny mpampianatra malaza momba ny fitsaboana. Resahin’izy dimy ny traikefan’izy ireo rehefa nitsabo marary izy ireo nefa tsy nampiditra ra.

KOREA ATSIMO

Mahavelom-panantenana ny Olona Tsy Mety Manao Miaramila ny Zavatra Hataon’ny Fitsarana Tampony Tsy ho Ela

Amin’ny 30 Aogositra 2018 no hodinihin’ny Fitsarana Tampony any Korea Atsimo ilay didy navoakan’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana mba hitsinjovana an’ireo tsy manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

ROSIA

Tadiavin’ny Manam-pahefana Rosianina Alaina ny Fananan’ny Fikambanana Amerikanina Ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah

Hohenoin’ny fitsarana ao Saint-Pétersbourg ny fangatahan’ny Vavolombelon’i Jehovah hampakatra fitsarana ambony. Nisy didy nivoaka mantsy talohan’izay hoe alain’ny fanjakana ny tranon’ny sampan’izy ireo any Rosia.

VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Hanomboka Amin’ny Volana Mey ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2018 Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah

Hanao ezaka manokana ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany mba hanasana ny olona hanatrika azy io. Tsy misy vidim-pidirana amin’ilay fivoriambe.

ISRAELY

Naseho Tany Tel Aviv ny Zavatra Nataon’ny Nazia Tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah

Nanao fampirantiana tany Tel Aviv ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’izay mba fantatry ny olona kokoa hoe nampijalijalina ry zareo tamin’ny andron’ny Nazia.

ROSIA

Lalàna Natao Hanoherana ny Fampihorohoroana no Ampiasain’i Rosia Hamelezana ny Vavolombelon’i Jehovah, hoy ny Tatitra Nataon’ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona

Lalàna natao hanoherana ny fampihorohoroana no ampiasain’i Rosia mba hamelezana ny Vavolombelon’i Jehovah, hoy ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona.

ROSIA

Ankasitrahan’ny Manam-pahefana Rosianina ny Vavolombelon’i Jehovah, Anisan’izany Ilay Teratany Danoà Nigadra, Satria Mazoto Manao Asa Soa

Nisaoran’ny manam-pahefana tao Oriol ny Vavolombelon’i Jehovah fa nanao asa soa. Anisan’izany i Dennis Christensen, izay nogadraina vao haingana satria nanatrika fotoam-pivavahana milamina tsara.

ROSIA

Video: Mpitandro Filaminana Rosianina Manao Bemidina Manakorontana Fotoam-pivavahana Milamina Tsara

Nisy polisy mitam-piadiana sy mpiasan’ny FSB nanakorontana fotoam-pivavahan’ny Vavolombelona tany Oriol, any Rosia, ny 25 Mey 2017.