Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

10 NOVAMBRA 2016
TURKMÉNISTAN

Tsy mba Nahazo Famotsoran-keloka ny Vavolombelon’i Jehovah any Turkménistan

Tsy mba Nahazo Famotsoran-keloka ny Vavolombelon’i Jehovah any Turkménistan

Nahazo famotsoran-keloka avy amin’ny filoham-pirenena any Turkménistan ny gadra 1 500 mahery, tamin’ny 25 Oktobra 2016. Tsy mba anisan’izany anefa i Bahram Hemdemov sy Mansur Masharipov. Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, ary migadra any amin’ny fonja LBK-12, any Seydi.

Efa tamin’ny Martsa 2015 Atoa Hemdemov no nigadra satria nitarika fotoam-pivavahana tao an-tranony, any Turkmenabad. Namoaka didy ny fitsarana ao Turkménistan fa voaheloka higadra efa-taona izy. Tsy ara-dalàna mantsy, hono, ilay fotoam-pivavahana nataony. Atoa Masharipov kosa nisy nanendrikendrika, dia voaheloka higadra herintaona. Tao Ashgabad izy no nosamborina, tamin’ny Jona 2016. Malahelo ny fianakavian’izy ireo sy ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, satria tsy mba anisan’ireo nahazo famotsoran-keloka izy roa lahy. Manantena anefa izy ireo hoe mba ho anisan’ireo havoaka ny fonja izy roa lahy, amin’ny famotsoran-keloka manaraka.