Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

4 JOLAY 2017
TURKMÉNISTAN

Hampiharin’i Turkménistan Ihany ve ny Didy Navoakan’ny Komitin’ny Firenena Mikambana?

Hampiharin’i Turkménistan Ihany ve ny Didy Navoakan’ny Komitin’ny Firenena Mikambana?

Nandidy an’i Turkménistan ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona (Komity), mba hanaja ny fifanekena nataony hoe hiaro ny zon’ny mponina ao aminy. * Impolo io Komity io, tamin’ny 2015 sy 2016, no nandidy an’i Turkménistan hoe tsy tokony hosazina intsony izay olona tsy te hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Nilaza koa ilay Komity hoe tsy maintsy manaja ny Fifanarahana Iraisam-pirenena Momba ny Zo Sivily sy Politika i Turkménistan, satria efa nanao sonia an’izany.

Manao antso avo ny Vavolombelon’i Jehovah

Valin’ny fitarainana nataon’ny Vavolombelona folo tamin’ny Septambra 2012 ny didy navoakan’ilay Komity. Nosazina mantsy ireo lehilahy ireo satria tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Ny sivy tamin’izy ireo aza nampijalijalina tany am-ponja sady nanaovana zavatra tsy fampiseho masoandro. Voretra be sy feno hipoka koa ny fonja nasiana azy, sady nisy areti-mifindra. Indraindray koa ry zareo navela ho jihitry ny hatsiaka, ary nisy fotoana indray matin’ny hafanana.

Naverimberin’ilay Komity hoe nataon’i Turkménistan tsinontsinona ny zon’ireo Vavolombelona ireo “hanana ny heviny sy ny fivavahany ary hanaraka ny feon’ny fieritreretany.” Nilaza koa io Komity io fa tsy “nohajaina” ireo Vavolombelona sivy sady “voahitsakitsaka ny zo maha olona azy. Nampijalijalina [izy ireo], ary naharikoriko sy feno habibiana ny sazy nampiharina taminy.”

Nasain’ilay Komity hafahana madiodio ireo Vavolombelona nosazina, sady nasainy homena onitra ampy tsara. Notakiny koa hoe mila havaozina ny lalàna any Turkménistan, mba ho “azo antoka fa tena voahaja ny zon’ny tsirairay hanaraka ny feon’ny fieritreretany.” Nandidy ny fanjakana koa ilay Komity mba hanadihady tsara amin’ny saina tsy miangatra momba ny fitarainana nalefan’ireo Vavolombelona nampijalina ireo. Tokony hosazina avy eo izay tompon’antoka tamin’izany.

Nisy Vavolombelona dimy hafa koa nandefa fitarainana tany amin’ilay Komity tamin’ny 2013. Nosazina koa mantsy izy ireo satria tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Manantena ny mpisolovavan’izy ireo fa mba hitovitovy amin’ireo didy miisa folo efa navoakan’ilay Komity ny valin’ny fitarainany.

Nizaka ny tsy eran’ny aina i Navruz Nasyrlayev

Navruz Nasyrlayev

Mahakasika an’i Navruz Nasyrlayev ny didy iray navoakan’ilay Komity tamin’ny 15 Jolay 2016. Tamin’ny Aprily 2009 izy no voantso voalohany ho miaramila, tamin’izy 18 taona. Nanazava tamin’ny manam-pahefana izy hoe tsy mety amin’ny feon’ny fieritreretany ny hanao miaramila, fa vonona kosa izy raha hampanaovina asa hafa. Nomelohina ho nitsoaka an-daharana anefa izy, ary nogadraina roa taona tany amin’ny fonja LBK-12, any Seydi. Natokan-toerana tao amin’ny efitra fanasaziana izy indraindray, ary novonovonoin’ny mpiambina nisaron-tava.

Voantso ho miaramila fanindroany Atoa Nasyrlayev tamin’ny Janoary 2012, iray volana taorian’ny nivoahany ny fonja. Naveriny indray hoe tsy hanao miaramila izy saingy vonona hanao asa hafa. Voaheloka higadra roa taona ihany anefa izy. “Fonja hentitra be” no nasiana azy sady “nahatsiravina” ny zavatra niainany tao. Novonovonoin’ny mpiambina indray izy, ary noterena hanao asa maharikoriko.

Nizaka ny tsy eran’ny aina koa ny fianakavian’Atoa Nasyrlayev mipetraka any Dashoguz. Nanaovan’ny polisy bemidina ny tranon-dry zareo, ary nampijalijaliny ny fianakaviany sy izay vahiny hitany tao. Hita hoe valifaty ilay izy satria nitranga taoriana kelin’ny nandefasan’ilay Komity ny fitarainan’Atoa Nasyrlayev tany amin’ny fitondram-panjakana any Turkménistan.

Efa nivoaka ny fonja Atoa Nasyrlayev tamin’ny Mey 2014, nefa mbola mitondra takaitra hatramin’izao. Nilaza ilay Komity fa mafy loatra ny nahazo azy, sady indroa be izao izy no voaheloka sy voasazy satria ‘tsy nanaiky mihitsy hanao zavatra tsy mety amin’ny feon’ny fieritreretany. Ny zavatra inoany anefa no nahatonga an’Atoa Nasyrlayev tsy hanaiky hanao miaramila, ka nahatonga azy ho voaheloka sy higadra. Natao tsinontsinona mihitsy ny zony hanana ny heviny sy ny fivavahany ary hanaraka ny feon’ny fieritreretany.’

Mba hanaja ny Vavolombelon’i Jehovah ihany ve i Turkménistan?

Nandidy an’i Turkménistan ilay Komity, tao amin’ny tatitra nataony momba ny zon’olombelona, tamin’ny 2012, mba “tsy hanasazy intsony an’izay rehetra tsy manaiky hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, ary mba hanafaka an’izay efa nogadrainy.” Nanaiky an’izany ihany aloha i Turkménistan, ka nafahany izay Vavolombelona nigadra. Tamin’ny Febroary 2015 no navoaka ny farany, ka tsy misy intsony aloha hatreto ny Vavolombelona migadra satria hoe tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

Mbola tsy hajain’i Turkménistan anefa hatramin’izao ny fifanarahana iraisam-pirenena natao hiarovana ny zon’olombelona. Mbola enjehina sy sazina foana mantsy any izay tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

  • Teren’ny fanjakana handoa sazy, ohatra, izay Vavolombelon’i Jehovah tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, nanomboka tamin’ny faramparan’ny 2014. Ny 20 isan-jaton’ny karaman’ilay olona no tsy maintsy aloany amin’ny fanjakana mandritra ny herintaona na roa taona. Vavolombelona roa hatreto no iharan’io sazy io.

  • Ataon’ny manam-pahefana koa indraindray izay hanerena an’ilay olona hiala amin’ny finoany, ka rahonany sy levileveny eo ilay olona mba handemena ny sainy.

Artur Yangibayev

Tsy nety nanao miaramila, ohatra, i Artur Yangibayev fa nangataka hanao asa hafa. Tonga tany aminy anefa ny mpitandro filaminana iray sy ny manamboninahitra roa tamin’ny 16 Jona 2016, ka nitondra azy tany amin’ny biraon’ny mpampanoa lalàna. Nataon-dry zareo izay hanakorontanana ny sainy, ka voatery nanoratra taratasy hanafoanana an’ilay fangatahany tsy hanao miaramila izy. Nandefa fitarainana momba izany Atoa Yangibayev taorian’izay. Nafahana izy rehefa avy nogadraina nandritra ny roatokombolana, ary nomena sazy mihantona roa taona. *

Fitarainana hafa miandry valiny

Tsy ireo tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany ihany no mizaka ny tsy eran’ny aina any Turkménistan, fa izay miezaka manaraka ny fivavahany koa. Niteny tamin’ny fitondrana any, ohatra, ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miady Amin’ny Fampijaliana, tao amin’ny tatitra nataony tamin’ny Janoary 2017, mba ‘hanao fanadihadiana haingana sady amin’ny saina tsy miangatra momba an’i Bahram Hemdemov sy Mansur Masharipov, izay samy Vavolombelon’i Jehovah. Nosamborina sy nampijalina Atoa Hemdemov tamin’ny Mey 2015. Natao toy izany koa Atoa Masharipov tamin’ny Jolay 2014, ary notanana an-keriny tany amin’ny toby fanarenana mpidoroka zava-mahadomelina.’ Tsy nisy heloka vitan’izy ireo akory anefa, fa noho izy nanaraka ny fivavahany fotsiny no nanamelohana azy. Nampangaina hoe nandika lalàna Atoa Hemdemov, fa Atoa Masharipov kosa nanaovana tetika mba hanendrikendrehana azy, ary nogadraina herintaona izay vao nafahana.

Manantena ny Vavolombelon’i Jehovah any Turkménistan fa handray fepetra haingana ny fanjakana mba hamahana ireo olana ireo, ho fanajana ny zon’ny olona hanaraka an’izay fivavahana tiany sy ny feon’ny fieritreretany. Raha manao an’izany ny fitondrana any, dia ho hita fa miaro an’izay olona tena te hanaraka ny feon’ny fieritreretany. Ho hita koa hoe mba efa tena miezaka hanaja ny zon’olombelona amin’izay i Turkménistan.

 

^ feh. 2 Voalaza ao amin’ny lalàna iraisam-pirenena fa afaka mandà tsy hanao miaramila ny olona iray raha tsy manaiky an’izany ny feon’ny fieritreretany. Anisan’ny zon’olombelona izany. Saika ny firenena rehetra no manaiky an’izany ao amin’ny lalàna mifehy azy ireo. Tsy mety manaja an’io zo fototra io anefa i Turkménistan. Toy izany koa i Azerbaïdjan, Érythrée, Korea Atsimo, Singapour, ary Torkia. Mbola enjehin’izy ireo foana àry izay Vavolombelon’i Jehovah tsy manaiky hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

^ feh. 18 Arahi-maso izay olona nomena sazy mihantona fa tsy tonga dia gadraina. Mety hahemotra na tsy hampiharina mihitsy ny sazy saika homena azy. Tsy nogadraina hatreto Atoa Yangibayev, fa manara-maso azy tsy tapaka kosa ny polisy.